๐…๐ข๐จ๐ฆ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ค๐š๐จ๐ง๐š๐ง๐๐จ๐ก๐š๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐ž๐ง๐ž๐ง๐š ๐ƒ๐ข๐ง๐ข๐ค๐š ๐ง๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ก๐ž๐ซ๐ฒ ๐ฏ๐ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐€๐ง๐ญ๐ž๐ง๐ข๐ฆ๐ข๐ž๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‘๐š๐ข๐š๐ฆ๐š๐ง๐๐ซ๐ž๐ง๐ฒ ๐ž๐ญ๐จ ๐Œ๐š๐ญ๐ฌ๐ข๐š๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐›๐จ๐ง๐ฒ

77 0

Natao teny aminโ€™ny Tranompokonolona Ralaivelo Daniel Tsianolondroa, Fianarantsoa ny fankan-kevitra notarihinโ€™ny Antenimieranโ€™ny Raiamandreny Herivelona eto aminโ€™ny faritra Matsiatra Ambony ho fiomanana aminโ€™ny fikaonandoham-pirenena.

Nandray anjara taminโ€™ny hetsika ireo hery velona avy aminโ€™ny sehatra sy rafitra samihafa, toy ny fiarahamonim-pirenena, antoko politika, ary vondrona kristianina. Anisanโ€™ny hita sy nanome voninahitra ny fotoana i Nicolas Ramamonjy, mpanolotsaina anโ€™i Solombavambahoaka Marie Michelle. Tanjona aminโ€™ny dinika ny fanomanana anโ€™ireo fandraisana andraikitra ho anโ€™ny fikaonandoham-pirenena, izay tontosainโ€™ny FFKM.

Nambaranโ€™i Andriamatoa Benjamin Raharison, DAGR-nโ€™ny Faritra Mahatsiatra Ambony, fa โ€œolana ny eo amin’ny lahika hitarika ny dinika aty aminโ€™ny faritra, satria mbola aminโ€™ny sehatry ny Faritra ihany no misy ny antenimieran’ny ray Aman-dreny.โ€ Tsy Mbola misy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany. Fantatra fa maneho fahavononana aminโ€™ny fandraisana anjara aminโ€™ny fikaonandoha ihany koa ny antoko IRMAR, izay hita nanatrika na teto an-toerana na taminโ€™ny dinika nasionaly.

Nangonin’i Ando R.

Related Post

๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ

Posted by - fรฉvrier 2, 2024 0
 ๐—›๐—–๐——๐——๐—˜๐—— : ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฅ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ง๐—˜๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐—ข ๐—š๐—”๐—ญ๐—˜๐—ง๐—ฌ Tontosa, ny alakamisy 1 febroary 2024, ny fifidianana ny solotenan’ny Ordre…