Fikambanan’ny Terak’i Androy eto Toamasina

317 0
Androany dia nihaona tamin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Atoa Rafidison Richard Theodore,ny Solotenan’ny Fikambanana FITEA TO. ( Fikambanan’ny Terak’i Androy eto Toamasina).
 
👉Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay. Ny FITEATO dia nisaotra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana nohon’ny zava-bita sy fiaraha-miasa nandritra izay efatra taona izay.
 
👉Ray amand-Reny tsy mba manavakavaka ny Governoran’ny Faritra Atsinanana,ary manaporofo izany ny fisian’ny Zanaky ny Faritra Androy miara-miasa aminy.
 
Ho fanomezam-boninahitra azy dia nomena satroka sy lefona ary salampy ary gisa Atoa Governoran’ny Faritra Atsinanana.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…