Mitohy hatrany ny festival Botry an-diany faha roa ka ny fifaninana teo aminโny cours Botry no nisantarana izany androany ka naresaka tanteraka ny morintsiraky Belo sur Merย ; 18 ireo botry nandray anajara taminโizany ary nizotra ampilaminana izany ka samy afa-po ny rehetra na ny mpandray anajara na ireo olona marobe tonga niatrika izany ย ary nitohy taminโny baolina kitra lalaovina eo aminโny fasika moa izany ary tomefy olona ihany koaย ; Niatrika ny hetsika rehetra hatrany moa ny benโny tatananโny kaominina ambanivohitry Belo sur Mer sy ny talemparitry ny fizahanan-tany ato Menabe ary ny filoha mpanorona ny Groupe Kimony .
Nanomboka androany atoandro ihany koa ny fihomanana aminโny jotro botry izay atao rapitso ka ny fotoam-pivavahana no nanombohana izany narahinโny fampisehoana nataonโireo an-tokompihira avy aminโireo fiangonana eto Belo sur Mer ka mitohy aminโny tsimandrimandry androany hariva .
Toinโny isakโariva moa dia misy hatrany ny fampisehoana ataonโireo mpanan-kanto eo aminโny Village Soa fahitse izay toerana ivonโny hetsika aminโity Festival ityย ; hatreto dia samy faly ny rehetra ary nitombo maro ireo mpandray anjara sy ny mpanotrotra ity festival botry ity .
Nangononโi RA PA




