𝐄𝐍𝐀𝐏, π…πšπ§πžπ‘π¨πšπ§πš πšπ¦π›πšπ§π² 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐯𝐚 𝐚𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚

114 0
πŸ“Œ Ny Alarobia 27 desambra 2023, no notontosaina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) tao Antetezambaro ny lanonana ara-miaramila natokana ho fankasitrahana sy ho fanehoana ambany faneva ireo mpianatra miisa 250 tafita tamin’ny taranja samihafa rehefa niatrika ireo sedra maro nandritra ny 45 andro ary ny fiofanana fototra mikasika ny maha-miaramila sy ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny ankapobeny.
 
➑ Misalotra ny anarana MIARO ( MaturitΓ©, IntΓ©gritΓ©, AuthenticitΓ©, ResponsabilitΓ©, ObΓ©issance) ireto andiany ireto ka ny Inspecteur en chef d’Administration PΓ©nitentiaire BEGARA Γ‰tienne, Directeur de l’ Inspection PΓ©nitentiaire no Ray mpiahy azy ireo, izay nitsodrano ny andiany hahavita soa aman-tsara ny fiofanana mbola ho ataon’izy ireo.
 
β­• Ny lanonana dia teo ambany fitarihan’ny Inspecteur en chef d’ Administration PΓ©nitentiaire RAZAFINTSALAMA DΓ©sirΓ©, Tale Jeneralin’ny ENAP.
 
β­•Ity hetsika ity dia tsy vitan’ny hoe nanome voninahitra ny zava-bitan’ny mpianatra tsirairay, fa nanasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe stratejika ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ho avy amin’ny fahombiazana sy ny fahamarinan’ny rafitry ny fonja.
 
⭐Tompon’ andrakim-pajankana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana.

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…

Paska Antsirabe

Posted by - avril 1, 2024 0
Paska Antsirabe Anisan’ny fety iray tena mampiavaka an’Antsirabe ny fetin’ny paska, saika Tonga eto avokoa ny avy any amin’ny faritra…