Ao aminโny faritra Menabe, andrefanโi Madagasikara, mitombo isanโandro ireo olona mitady harena ankibonโny tany. Ao aminโny kaominina ambanivohitra Dabolava, distrikanโi Miandrivazo, ao aminโny fokontany Ankiranomena, no misy ny kariera Besakay, toerana fitrandrahana vato colombite izay nahasarika mpitrandraka anโarivony nanomboka ny fiandohanโny taona 2025.
Vokatry ity fitrandrahana dia nitombo be ireo mpifindra monina ao amin’ny kariera . Maro aminโizy ireo no efa miorim-ponenana eny amin’nyย kariera, manangana toby sy trano vonjimaika.
Hita eny an-toerana ihany koa ireo vahiny, indrindra ireo Sinoa, izay mividy sy miasa aminโny sehatry ny fitrandrahana.
Anisanโny mampanahy ny fisianโireo zaza tsy ampy taona maro miasa eny aminโny kariera. Zaza tokony ho any an-tsekoly, saingy tafiditra aminโny asa mafy sy mampidi-doza sahady.
Tsy maharaka ny fitomboanโny mponina ny tolotra ara-pahasalamana. Tsy tafiditra ao anatinโny lisitry ny mponina ao aminโny CSB II Dabolava ireo mpitrandraka, ka sarotra ny fanaraha-maso.
Maro ireo reny miteraka eny an-toerana, ary betsaka aminโireo zaza no tsy mahazo vaksiny ara-potoana.
Simba ny tontolo iainana nohon’nyย lavaka lalina vokatry nyย fitrandrahana, simba ny tany ary voa ny loharanon-drano. Vokany, miparitaka ny aretina toy ny tazomoka, aretin-kibo ary aretina mifindra.
Mandoa vola isanโandro ireo mpitrandraka vao mahazo miasa. Saingy maro no milaza fa tsy mitovy ny tombontsoa azo.
Etsy ankilany, tsy mazava ihany koa ny tamberim-bidy ho anโny kaominina, na dia misy vola miditra aza.
Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka ny fanontaniana:
๐ Aiza no miafara ny vola avy aminโny fitrandrahana?
๐ Iza no tena mahazo tombony?
Ao Besakay, mitady harena ny olonaโฆ saingyย am-badik’izany dia tandindomin-doza ny fahasalamanโny mponina, ny zonโny ankizy ary ny tontolo iainana.
Nangonin’i RA PA




