π€πƒπ˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…π€ππ€ππŽπ™πˆππ€ππ€ 𝐀𝐑𝐀- π“π’π€πŠπ€π…πŽ

222 0
Araka ny toromarika avy amin’i Ramatoa Minisitry ny Fizahan- tany sy ny asa-tanana dia notanterahina ny Alatsinainy faha 28 oktobra 2024 tao amin’ny efitra malalaka ny Ofisi-paritry ny Fizahan-tany ny fampihofanana voalohany an’ireo Mpikirakira sakafo ( restaurant, snack, salon de thΓ©, service traiteur, gargote, hotely gasy) ato anatin’ny Distrika Moramanga.
Tanjona ny hikarakarana sakafo madio, azo antoka, tsara kalitao ary ara- pahasalamana mba hisitrahan’ny Mpanjifa sy ireo Mpizahan- tany tonga misakafo any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny.. Nandritra ny fifampizarana no nivoitra fa ny mayonnaise, ny menaka, ny lafarinina , matetika no antony mahatonga ny fanapozinana ,eo ihany koa ny fampiasana ny akora lany daty sy ny tsy fanajana ny fahadiovana.
Miara-misalahy amin’ny fanatratrarana ny tanjona miaraka amin’ny Ministeran’ny Fizahan- tany sy ny asa tanΓ na ny Ministeran’ny fahasalamana, ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampihofanana arak’asa ary ny Ofisi-paritry ny Fizahan-tany Alaotra Mangoro (ORTALMA).

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…