Mitaraina ireo mpitrandraka vato ao aminβny kaominina ambanivohitra Bekopa satria ny solombavam-bahoaka izay tokony hiaro azy ireo indray no manakana ny fitadiavana izay ataonβizy ireo ; nandefa mpitandronβny filaminana tany an-toerana ingahy solombavambahoaka nanomboka ny faha dimy ny volana septembre teo hanakana ny fitrandrahana izay ataonβizy ireo.
Ka manoloana izany dia miantso ny tomponβandraikitra mahefa ireo mponina avy aminβny fokotany 11 ao aminβny kaominana Bekopaka mba hijery azy ireo satria nohonβny fandaminana sy fampandrian-tany izay nataonβi Colonel Faneva taminβiny faritra iny dia niova fo ireo tanora dia izao nahita izao fikaramana mitrandraka vato izao saingy andefasanβny solombavam-bahoaka izay voafidy tao aminβny distrikanβny Antsalova mpitandronβny filaminana hanakana ny karama izay mba hivelomanβizy ireo nefa nohonβny tany milamina no nahafahanβireto mponina ireto nitrandraka izao.
Ny lehibenβny distrikanβAntsalova dia nilaza fa tsy iraka avy aminy ireo mpitandronβny filaminana nandeha tany izany ary tsy nafantatra ny fandehananβireo mpitandonβny filaminana sy izay nataonβizy ireo tany ny tenanany hoy ny lehibenβny distrika taminβny fifampiresahana taminy taminβny finday ary nilaza izy fa efa ao anatin-ny fandaminana ny fampidirana ireo mpitrandraka harena ankimbonβny tany ao anatinβny distrikanβAntsalova aminβny ara-dalana ny tenany sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbonβny tany ao aminβny faritra Melaky satria mahazo vahana tanteraka ny fidrandrahana ny harena ankimbonβny tany ao anatinβny distrikanβny Antsalova tato ato nohonβny tany efa milamina saingy nilaza mazava kosa izy fa tsy mbola nandefa mpitandronβny filaminana tany Bekopaka ny OMC avy eo anivonβny distrikanβAntsalova fa mbola eo ampandaminana fidinana ifotiny tanteraka izy sy ny fitaleovam-paritry ny harena ankimbonβny tany ao aminβny faritra Melaky aminβizao
Nangonin’i RA PA