Ny zoma 13 febroary 2026 lasa teo no nambaranโny fomba ofisialy teo anatrehanโny mpanao gazety ny fisianโny vovonana ๐ฐ๐ญ๐น (๐ฐ๐๐๐โ๐๐ ๐ญ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐น๐๐๐๐๐๐๐๐).
Fihaonana natao hampahafantarana ny rafitra sy ny mpikambana ao aminy, ary indrindra ny lร lana hizoranโity fikambanana politika vaovao ity eo aminโny sehatra nasionaly.
Araka ny fanazavana nomenโireo tomponโandraikitra, dia vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana maro loko, avy eto an-toerana sy avy any ivelanโi Madagasikara, ny IFR. Tafiditra ao anatiny ihany koa ny olom-boafidy sasantsasany, anisanโizany ireo solombavambahoaka mitovy fijery sy mitovy vina momba ny hoavinโny firenena.
Nambaranโireo mpitarika fa efa mijoro ara-dalร na sy ara-drafitra ny IFR, ary vonona handray anjara feno aminโny fiainam-pirenena. Tsy fikambanana miseho fotsiny, hoy izy ireo, fa sehatra iray hiaraha-mandinika sy hiaraha-mamolavola politika ho anโny tombontsoam-bahoaka.
๐๐๐ง๐ฃ๐จ๐ง๐ ๐ฆ๐๐ณ๐๐ฏ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ฏ๐ข๐ง๐ ๐ฆ๐๐ก๐๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐
Nasongadina manokana fa hitondra sosokevitra sy vahaolana azo ampiharina ho anโny fampandrosoana maharitra anโi Madagasikara no fototry ny IFR. Ny fanavaozana ny rafitra, ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena, ary ny fanomezana lanja ny rariny sy ny fahamarinana no isanโny laharam-pahamehana apetrany.
Aminโny lafiny asa sosialy kosa, nambara fa hisy delegasiona IFR hihazo anโi Toamasina aminโny alatsinainy ho avy izao. Tanjonโizany ny hanome fanohanana sy fanampiana ho anโireo fianakaviana traboina vokatry ny rivodoza Cyclone Gezani, izay namely faritra maro tato ho ato.
๐๐ซ๐๐จ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ค๐๐ฆ๐๐๐ง๐ ๐ฆ๐๐ง๐๐ซ๐๐๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ง๐ฒ ๐๐
๐
Hatreto dia ireto avy ireo rafitra sy vondrona tafiditra ao anatinโny Ivonโny Fanavaozana Repoblika (IFR) :
GRAD ILOAFO
Antso ho anโny Rariny anaty Fiandrianam-pirenena
Groupe BERTIN
GEN Z
Isika Mpandresy
Leader Fanilo
Madagasikarantsika
Diaspora Malagasy
Mijoro aminโny foto-kevitra iray iraisana izy ireo : fanavaozana mitondra fahamarinana sy fampandrosoana.
Raha ny nambaranโny mpitarika azy, dia ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina no lakilenโny fanovana maharitra, aminโny fanajana ny soatoavina repoblikana sy ny tombontsoam-pirenena ambony indrindra.




