ππŽπ’πŽπ‹πŽπˆππ€ π‡πŽ 𝐏𝐃𝐒 𝐍𝐎 π‡πˆπ“π€ππ“π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€

181 0

Nosoloina ho Delegasiona manokana na PDS no hitantana ny Tananan’ny Kaominina Sabotsy Namehana manomboka androany 18 Novambra 2024 ka io maraina io no natao ny fifamindram-pahefana teo amin’Andriamatoa RAKOTOARISOA Gabin, izay Ben’ny tanana Mpisolon-toerana sy Andriamatoa RANDRIAMANANJARA Andrianiaina, izay voatendry ho PDS,ary ireo Mpikambana mianadahy hiara-hiasa aminy.

Nandritran’ny kabary fohy teo amin’ny fifanaovan-tsonia, dia nohatitraterin’Andriamatoa PDS, izay vao notendren’ny Fanjakana, fa tsy marina velively ilay siosion-dresaka miely fa paipaik’ady PΓ΄litika, entina hampandresy ny antokon’ny fitondrana no nanendrena azy izao, fa tena fitohizan-draharaham-panjakana, satria ny asam-panjakana manakaiky ny vahoaka tahaka itony, dia tsy azo bangaina na inona antony na inona antony.

Ny fandaminana ny tsena no vain-dohan-draharaha ho sahany amin’izao handraisany ny fitondrana ny tanana izao, ankoatry ny fampandehanan-draharaha izay efa fanaon’ny Kaominina.

Nilaza ny solon-tenan’ny Mpiasa eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, fa vonona hatrany amin’ny asa izay hatao, indrindra fa ho tombotsoa ambonin’ny vahoakan’ny Sabnam no katsahina.

Marihina fa hitsahatra amin’ny asany izy ireo, vantany vao mandray ny toerany ny Ben’ny Tanana voafidim-bahoaka amin’ny fotoan’androny.

Tonga nanome voninahitra izao fifamindram-pahefana izao ny Sefo Distrikan’Antananarivo Avaradrano, ireo tandroka aron’ny vozona eto ana-tanana, nahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ireo mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA π€πŒππ€ππˆπ‡π˜ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
π„πŸπšπ­π«πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒π₯𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐝𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐬𝐨π₯π¨π¦π›πšπ―πšπ¦π›πšπ‘π¨πšπ€πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π¦π©πšπ§π’π‘π² 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐑𝐒𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 19 π“π¨πžπ«πšπ§πš 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐑𝐒𝐟𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…

𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - dΓ©cembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’… (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑡- 𝑻𝑨𝑡𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑡𝑨 𝑡𝑢 𝑡𝑨𝑡𝑢𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑡𝑢𝑹𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑢𝑩𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝒁𝑨𝑡𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑢𝑻𝑢𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 π‘¬π’…π’Žπ’π’π’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…