MIARAMASOANDRO VATOFOTSY ANTSIRABE VEHIVAVY IRAY NIKASA HANGALA-JAZA NO SAIKA NIHARAN’NY FITSARAM_BAHOAKA

192 0
MIARAMASOANDRO VATOFOTSY ANTSIRABE
VEHIVAVY IRAY NIKASA HANGALA-JAZA NO SAIKA NIHARAN’NY FITSARAM_BAHOAKA
Vehivavy iray nikasa hangala_jaza no saika niharan’ny fitsaram_bahoaka tao Miaramasoandro Vatofotsy Antsirabe ny faha 3 novembre teo , nanodidina ny tamin’ny fito ora maraina
Zazavavikely 7 taona saika hamonjy toeram_pianarana no notambatambazan’ity vehivavy ity tamin’ny vola ka nanaraka azy;
Araka ny fitantarana nataon’ny Ray niteraka Ity Zaza ity dia efa nentin’ity vehivavy ity nianantsimo nihazo ny Gymnase Vatofotsy ilay Zaza no nifanena tampoka tamin’ny rahavavin_dReniny ka nanotany azy ny antondihany amin’ny ora fianarana ; nikasa hitsoka ity mpangalajaza ity no nitangoronan’ny fokon’olona ka saika niharan’ny fitsaram_bahoaka saingy tonga ara_potoana ny mpitandro ny filaminana
Araka ny angom_baovao dia tsy vao sambany ity vehivavy ity no nikasa hangalajaza toy izao fa efa fanaony
Nanao fitoriana ny Ray aman_dRenin’ny Zaza ary Efa eny amin’ny mpitandro filaminana ny raharana
📝 Haintso Antsirabe

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…