𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—‘π—œπ—”π—₯π—”π—žπ—” π—‘π—”π—‘π—”π——π—œπ—’ 𝗧𝗔𝗧𝗔𝗧π—₯𝗔 𝗑𝗬 𝗭𝗔𝗑𝗗𝗔π—₯𝗬 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—žπ—”π—’π— π—œπ—‘π—œπ—‘π—”

230 0

Sorohana mialoha ny fitohanan`ny ranon-dalo rehefa mirotsaka ny orana satria efa fotoanan`ny fahavaratra isika izao. Tsy niraviravy tanana ny Zandarimariam-pirenena amin`ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara tarihan`i Commandant Compagnie Tsirimampisaina Samatasy. Asa tagnamaro niarahana tamin`ny kaominina no natao tetsy Andohomby androany alarobia 4 desambra 2024.

Nahita izy ireo fa tsy mikoriana ny rano maloto ka nanantateraka izao asa izao, niarahana tamin`ny kaominina ambonivohitra. Vatan-dehilahy 80 no nifarimbona nanao ny asa. Tsy hisy sakana ny rano rehefa avy by orana manomboka eto izay mitarika amin`ny fiakaran`ny rano eran`ny lalam-be.

Nankasitra ezaka nataon`ny zandary izao ny Ben`ny tanana Mpisolo toerana, Arved, ary nanentana ny olona hitandro fahadiovana izay.

Nangonin`i Claudio

 

Related Post

KAOMININA ANOSY AVARATRA

Posted by - dΓ©cembre 26, 2023 0
20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo…

𝐅𝐀HAπŒπ€πˆπ™π€ππ€ π“πŽπ„π‘π€ππ€ π…πˆπ“π‘π€ππƒπ‘π€π‡π€ππ€ π•π€π“πŽ

Posted by - dΓ©cembre 23, 2024 0
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato « Spectrolyte na pierre de luneΒ Β» ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23…