ยซย ๐ƒ๐‘๐Ž๐ˆ๐“ ๐ƒ๐„ ๐‘๐„๐๐Ž๐๐’๐„ ย ยป ๐€๐•๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐’๐„๐๐€๐“๐Ž๐‘๐€ ๐Œ๐€๐‹๐€๐†๐€๐’๐˜

51 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/)
dia mitondra ity ๐Ÿ๐š๐ง๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐š๐ฆ-๐›๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ ity ny ๐—ฆ๐—ฒฬ๐—ป๐—ฎ๐˜ ๐—ฑ๐—ฒ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ฐ๐—ฎ๐—ฟ
๐—™๐—”๐—ก๐—œ๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—”๐—ก๐—” ๐—ฉ๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ข ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ข
Taorian’ny famoahan’ny pejy ยซย ๐‘ญ๐’†๐’๐’’๐’๐’š ๐’…๐’†๐’Ž๐’๐’Œ๐’“๐’‚๐’”๐’Š๐’‚ย ยป tamin’ny tambazotran-tserasera ny fanatanterahana didim-pitsarana nataon’ny ยซ ๐‘ฏ๐’–๐’Š๐’”๐’”๐’Š๐’†๐’“ ๐’…๐’† ๐‘ฑ๐’–๐’”๐’•๐’Š๐’„๐’† ยป,
notronin’ny ๐’›๐’‚๐’๐’…๐’‚๐’“๐’š, ๐’‚๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’†๐’๐’‚๐’—๐’๐’‚๐’—๐’, ๐’‡๐’๐’Œ๐’๐’๐’•๐’‚๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’‚๐’”๐’Š๐’๐’‚, ๐’Œ๐’‚๐’๐’Ž๐’Š๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐‘จ๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’•๐’๐’Ž๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’‚, ๐’…๐’Š๐’”๐’•๐’“๐’Š๐’Œ๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’Š๐’‚๐’“๐’Š๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’, ๐’‡๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐‘ฐ๐’•๐’‚๐’”๐’š, dia nampanao fanamarinana
sy fanadihadiana ny ๐‘จ๐’๐’•๐’†๐’๐’Š๐’Ž๐’Š๐’†๐’“๐’‚๐’๐’…๐’๐’‰๐’๐’๐’๐’๐’‚, ka manambara fa :
1๏ธโƒฃ Tsy misy mpikambana ao amin’ny kabinetran’andriamatoa Filohanโ€™ny
Antenimierandoholona voakasika aminโ€™io raharaha io. Diso araka izany ny vaovao navoakanโ€™io Pejy io ka hitory azy ny Antenimierandoholona noho ny fanalambaraka sy heloka anโ€™habaka ;
2๏ธโƒฃ Tsy niteny mihintsy ireo nahazo rariny tamin’ny Fitsarana, izay nangataka ny
hanatanterahana ny didim-pitsarana fa mpikambana ao amin’ny kabinetranโ€™ny
Filohanโ€™ny Antenimierandoholona fa zavatra noforonina izany ;
3๏ธโƒฃ Araka ny taratasy navoakan’io Pejy io aminโ€™ny tambazotran-tserasera (averinay avoaka amin’ity ranty ity ) sy ny
nolazain’ireo zandary tany an-toerana, dia ara-dalร na ny fanatanterahana ny didim-pitsarana navoaka. Tsiahivina fa ny tsy fanekena fanatanterahana didim-pitsarana dia voararanโ€™ny lalร na araka ny andininy faha 221 aminโ€™ny fehezan-dalร na famaizana ;
4๏ธโƒฃ Ireo mpangataka ny fanatanterahana ny didim-pitsarana dia nilaza fa ยซย ny olona manana trano eo amin’ilay tany, dia efa niresaka tamin-dry zareo mba hitady ny marimaritra iraisanaย ยป. Tsy nanome tsiny ny zandary mihitsy ireto farany, araka io
horonan-tsary alefa io ;
5๏ธโƒฃ Tsy olona voakasika akory amin’io raharaha io ilay Ramatoa ao anaty horonan-tsary naparitaka.
Misy laharanom-baovao milaza fa nokaramain’ny Ben’ny tanร na ao amin’ny kaominina Ambatomanjaka izy io ary io Ben’ny tanana io dia nanao tsindry (trafic d’influence) tamin’ny ny zandary hoe ยซย ho
hitanareo fa ho any amin’i Lalatiana izahay ary mahalala mpitsara ao amin’ny Fitsarana an-tamponyย ยป. Tsy mba nasiany hasina hoe ยซ Loholona ยป na ยซ Ramatoa ยป ny loholona ๐‘น๐’‚๐’Œ๐’๐’•๐’๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’‡๐’š ๐‘ณ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’‚๐’๐’‚.
Rehefa nifampiresaka ny jeneraly ๐‘น๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘น๐’Š๐’„๐’‰๐’‚๐’“๐’…, ๐‘ญ๐’Š๐’๐’๐’‰๐’‚๐’’๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’•๐’†๐’๐’Š๐’Ž๐’Š๐’†๐’“๐’‚๐’๐’…๐’๐’‰๐’๐’๐’๐’๐’‚ sy ny loholona ๐‘น๐’‚๐’Œ๐’๐’•๐’๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’‡๐’š ๐‘ณ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’‚๐’๐’‚, dia nilaza ity farany fa mpikambana ao amin’ny antoko ๐‘ญ๐‘น๐‘ฌ๐‘ฌ๐‘ซ๐‘ถ๐‘ด io Ben’ny tanร na io, saingy
izy ihany no tompon’andraikitra amin’ny tsy fanekena fanatanterahana didim-pitsarana fa tsy misy idiranโ€™ny Loholona na ny antokony izany.
6๏ธโƒฃ Olona voafantina ihany no afaka manao taria (commentaires) ao aminโ€™io Pejy ยซย ๐‘ญ๐’†๐’๐’’๐’๐’š ๐’…๐’†๐’Ž๐’๐’Œ๐’“๐’‚๐’”๐’Š๐’‚ย ยป io. Betsaka ireo nanatri-maso sy voakasika mivantana taminโ€™io raharaha io no vonona hijoro hanazava saingy nofafana avokoa izay mamoaka hevitra tsy mety aminโ€™ny Mpitantana io Pejy io.
๐Ÿค Mahay miray hina, tsy manarao-pahefana ary manaja ny didim-pitsarana sy
ny lalร na ny Loholona eto Madagasikara. Koa manentana ny rehetra tsy hisalasala hiteny sy hampita raha misy tokoa ny manampatra fahefana tsy ara-dalร na sy tsy ara-drariny
amin’ny anaran’ny Antenimierandoholona.
Ny Fanoratana eto anivon’ny Feonydemokrasia

Related Post