Faritra Boeny โ DistrikanโAmbato-Boeny โ Kaominina Ambatoboeny
Efa hatraminโny taona 2013 no nisy ny tsy fifanarahana sy tsy fitovian-kevitra teo aminโi Ramatoa Dokotera Lusta, lehibenโny Hรดpitaly Be ao Ambatoboeny, sy ireo mpitsabo mpanampy ary dokoteranโny toeram-pitsaboana sasany miara-miasa aminy.
Araka ny fanazavanโireo mpitsabo, ny antony fototra nahatonga ny tsy fifanarahana dia ny fomba fitantanana sy ny fandehanan-draharaha tsy mifanaraka aminโny fenitra tokony hanjakanโny hopitaly lehibe. Nilaza izy ireo fa efa nisy hatrany ny fitarainana sy tsy fahafaliana mikasika ny fomba fitondranโny Lehibenโny hopitaly ny raharaha anatiny.
Nohamafisinโi Dokotera Christophe, solontenanโny mpiasa ao aminโny CHRD Ambatoboeny, fa misy faneriterena sy ramatahora ataonโny Lehibenโny Hรดpitaly aminโireo mpiasanโny fahasalamana tsy mbola mpiasam-panjakana ka mampiteraka tahotra sy fihenjanana aminโny asa andavanandro.
Nambaranโireo mpitsabo ao aminโny hopitaly fa mitohy ny fitokonana ataonโizy ireo nandritra ny telo andro misesy, ho fanehoan-kevitra aminโny olana tsy voavaha hatraminโizao. Nilaza izy ireo fa hitohy ny hetsika mandra-pahitana ny fandraisanโandraikitra avy aminโny manampahefana ambony.
Ireo mpitsabo dia mitaky ny fanesorana anโi Dr. Lusta aminโny toerany aminโizao fotoana izao, ho fepetra hahafahana mamerina ny filaminana sy ny fifampitokisana ao aminโny Hรดpitaly Be Ambatoboeny.




