Faritra Boeny β DistrikanβAmbato-Boeny β Kaominina Ambatoboeny
Efa hatraminβny taona 2013 no nisy ny tsy fifanarahana sy tsy fitovian-kevitra teo aminβi Ramatoa Dokotera Lusta, lehibenβny HΓ΄pitaly Be ao Ambatoboeny, sy ireo mpitsabo mpanampy ary dokoteranβny toeram-pitsaboana sasany miara-miasa aminy.
Araka ny fanazavanβireo mpitsabo, ny antony fototra nahatonga ny tsy fifanarahana dia ny fomba fitantanana sy ny fandehanan-draharaha tsy mifanaraka aminβny fenitra tokony hanjakanβny hopitaly lehibe. Nilaza izy ireo fa efa nisy hatrany ny fitarainana sy tsy fahafaliana mikasika ny fomba fitondranβny Lehibenβny hopitaly ny raharaha anatiny.
Nohamafisinβi Dokotera Christophe, solontenanβny mpiasa ao aminβny CHRD Ambatoboeny, fa misy faneriterena sy ramatahora ataonβny Lehibenβny HΓ΄pitaly aminβireo mpiasanβny fahasalamana tsy mbola mpiasam-panjakana ka mampiteraka tahotra sy fihenjanana aminβny asa andavanandro.
Nambaranβireo mpitsabo ao aminβny hopitaly fa mitohy ny fitokonana ataonβizy ireo nandritra ny telo andro misesy, ho fanehoan-kevitra aminβny olana tsy voavaha hatraminβizao. Nilaza izy ireo fa hitohy ny hetsika mandra-pahitana ny fandraisanβandraikitra avy aminβny manampahefana ambony.
Ireo mpitsabo dia mitaky ny fanesorana anβi Dr. Lusta aminβny toerany aminβizao fotoana izao, ho fepetra hahafahana mamerina ny filaminana sy ny fifampitokisana ao aminβny HΓ΄pitaly Be Ambatoboeny.





