TRANGA FAKANA ANKERINY TAO TAOLAGNARO : AVOTR’IREO ZANDARY I ERICO, JIOLAHY 4 VOASAMBOTR

171 0
Ramatoa iray efa malaza mpivarotra Zaza antsokosoko no namboraka avy hatrany ny fomba ratsin’izy ireo nandritry ny famotorana sy fisamborana ireo jiolahy naka ankeriny an’i Erico Zazalahy 10 taona, tao Tanambao I Taolagnaro Anôsy, ny 01 novambra 2023.
 
Noho ny hakingana sy fahaizamanaon’ireo Zandary Mpanao famotorana dia ny ampitson’io ihany ireo jiolahy miisa 4 dia voasambotra tany Tsiharoa / Mahatalaky distrika Taolagnaro.
 
Mitohy ny famotorana lalina saingy efa avoaka etoana mba hitandreman’ireo Ray aman-dReny sahady ny amin’ny mba hanaramaso lalandava ny ankizy amin’izao fotoam-pialantsasatra fohy izao fa ny ratsy tsy kely lalana.
 
PS: nalaina tao amin’ny takelaka manokana ny InfoCom Seg

Related Post

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎 𝐉𝐄𝐀𝐍 𝐑𝐄𝐍𝐄 𝐇𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐉𝐀𝐁𝐄

Posted by - mars 5, 2024 0
Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024,…