Nanao rodobe nanatanteraka fambolen-kazo tany aminโny Kaominina Mantasoa, Faritra Analamanga ny Fianakaviam-be ny Ministeranโny Serasera sy ny Kolontsaina ny faha 21 Febroary 2023.
Tonga nitarika izany ny Minisitra Mara Volamiranty Donna, notronโireo mpiasa marobe eto anivonโity Ministera ity, fa ankoatrโazy ireo, dia marobe ihany koa ny Fikambanana, Olon-tsotra, Mpanakanto, Mphira Gasy nanatevin-dahaharana ity fambolen-kazo ity.
Hita nanatanteraka ny adidiny hoanโny Tanindrazana teny ihany koa ny Eipanโny OJM sy ireo Mpanao Gazety aminโny hainovakijery marolafy, izay notarihinโny Filoha Monica HARIMBOLA RASOLOARISON.
Natao indrindra ho fitsinjovana ireo taranaka any aorina sy ho fiarovana ny tontolo iainana izay hita fa efa miha simba hatrany no antonโizao fambolen-kazo izao, hoy ny filazanโireo sendra tafaresaka taminay.
Tiana ny mana-marika fa zanakazo miisa 2500 fototra no voatsatoka taminโity rodobe ity, ary tsy hijanona aminโny fanatsatohana ihany fa hojerena akaiky ny fikarakarana azy ireo, araka ny nambaranโAndriamatoa Benโny Tanana ny Kaominina Mantasoa