Toliara | nanao rodobe namboly hazo ny alem-paritry ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy

368 0

Mba ho fanatanterahana ny politika ankapobeny ny Fanjakana sy ny fanatratrarana ny 100 andro, dia nanatanteraka fambolen-kazo ho entina hanatsarana endrika ny tananan’i Toliara ny avy ao amin’ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy Atsimo-Andrefana, ka natao miditra ny tananan’i Toliara sy mivoaka izany fambolen-kazo izany.

Teny Andatabo, Kominin’i Betsinjaka izay tanana voalohany miditra ny Toliara raha manaraka ny Lalam-pirenena faha-7 iny no nisantarana izany androany 28 Febroary 2024, izay niarahana tamin’ireo fokonolona VOI izay vonona hikarakara sy hiambina ireto zanakazo natsatoka ireto. Zanakazo akao na Flaos ary asenjy no novolena manamorona ny arabe. Santatra ambavarano ihany izao hoy ny Talem-paritry ny Tontolo iainana Atsimo-Andrefana MARA Edena fa mbola hisy fitohizany izay tsy maintsy hataomanamorona ny RN9 mivoaka ny Toliara mihazo ny Faritra Menabe iny.

Nangonin’i JOB

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…