TOHA-DRANON’NY MAHAJILO AO MIANDRIVAZO | HANOMBOKA NY FANAMBOARANA AZY

410 0

 Tonga tao Miandrivazo ny iraky ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana miaraka amin’ireo teknisianina nanao fijerena ifotony naka ny antotan-kevitra rehetra entina hanatanterahana ny asa ny alakamisy faha 7 desambra izay hamoahana ny ireo sokajin’asa hatao ka mizara roa mazava tsara ny asa ny voalohany dia ny asa fohy ezaka izay maika tsy maintsy atao mba hiarovanana ny tanana amin’ny fahavaratra ho avy ity ; ny faha roa kosa dia ny asa lavitr’ezaka izay vahaolana maharitra mba tsy hiverenan’ny tondra-drano miverimberina ao Miandrivazo.

Ny diangana arahina mba hampandeha ny aasa sy havitan’ny asa moa dia izao fidinana ifotiny izao no dingana voalohany izay handrafetana ny mpitsopitsony ny teti-bola entina manantanteraka ny asa ary aorian’izao izay tsy ho ela dia hivoaka ny fiantsoana ireo orinasa izay afaka hanao ny asa ka rehefa voasafidy ny orinasa dia manomboka ny fanamboarana.

 Velompisaorana ny fitondram-panjakana ireo mponinana noho izao fanam-boarana ny toha-dranon’ny Mahajilo izao satria sady voaharo ireo mponina no afaka mamboly ara-dalana ihany koa izao moa no tanteraka dia nohon’ny ady sisika izay nataon’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara izay voafidy tao amin’ny distrikan’ny Miandrivazo satria isany nangatahiny voalohany tamin’ny fandraisam-pitenenana fony izy vao lany solombavambahoaka io toha-drano io ka dia velom-pisaorana ny fitondrana foibe ny tenany indrindra fa Andriamatoa praiminisitra Ntsay Christian izay nadefa ireto iraka ireto hisantatra izay asa fanamboarana izao ; ny ben’ny Tananan’ny Kaominina ambonivohitra Miandrivazo kosa moa dia nanamarika fa efa 20 taona no naha ben’ny tanana azy ary tsy nitrahatra ny nangataka ny nanamboarana io toha-drano io saingy tsy nisy nihaino ireo mpitondra nifandimby teo ka misaotra izao fitondrana izao nijery an’ny Miandrivazo ary miantso ny fitondrana foibe mba hanamboarana ny asa faran’izay malaky satria ho avy ny fotoanan’ny orana ka hitohy hatrany ny fijalian’ny mponina raha sanatria tara ny fanombohan’ny asa ;

Vaoavaly avy hatrany moa izay fangatahan’andriamatoa ben’ny tanana izay satria dia nilaza ireo teknisianina fa tsy ho amam-bolana akory fa andro no isaina dia handeha izay asa maika izay

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…