Toamasina: Vita soa aman-tsara ny Hetsika fitsaboana sy fizaham-pahasalamana,izay nataon’ny AST

143 0
Toamasina: Vita soa aman-tsara ny Hetsika fitsaboana sy fizaham-pahasalamana,izay nataon’ny AST ( Association Santé pour Tous Madagascar) izay naharitra roa herinandro tao amin’ny Centre Medical Vonjy Mangarano.
Ny CRMF ( Caring Response Madagascar Foundation) no nanolo-tanana azy ireo tamin’izany. Ny CRMF izay ahitàna mpitsabo avy any Ivelany.
Nisy ny fifanakalozana ,fifampizaràna traik’efa nifanaovan’ireo Mpitsabo mivondrona amin’ny AST sy ny CRMF, ary nomena fiofanana manokana ireo mpianatra mpitsabo efa hamarana ny fianarany izay miisa 8 minadahy ka notolorana mari-pahaizana omaly.
 » Hanatsara ny fahaiza-manao amin’ny fisahanana ny asa mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ny fahazahoana traik’efa vaovao,ary manampy betsaka an’ireo mpitsabo Tanora vo hiditra amin’ny sehatry ny asa ihany koa, ny fifanakalozana nisy tamin’ny CRMF hoy I Docteur Ralison Andrinirina Filoham-boninahitry ny AST.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…