Toamasina | Taom-piotazana letchis

72 0
Miisa 28 ireo orinasa mpanondrana letchis nahazo fazahoandalàna, raha miisa 941 ny fahazoan-dalàna nivoaka avy amin’ny Faritra Atsinanana.
Nizotra amim-pilaminana ny fanokafana ny taom-piotazana tamin’ny fomba ôfisialy omaly ary voahaja ny fepetra napetraka ho an’ny mpisehatra rehetra.
Ankoatry ny fidianana ifotony teny amin’ny RN2 tao Tananambo,dia nisy ihany koa ny fitsidihana orinasa mpanondrana letchis,toy ny efa fanao isan-taona.
Nitarika io fidinana ifotony io ,ny Minisitry ny Varotra,sy ny Fampiroboroboana ny Indostria, sy ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo toerana Andriamatoa Rakotovao Andry .
Tsikaritra tao anatin’izay roa andro izay fa mbola somary vitsy ny vokatra miakatra.

Related Post

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …