Toamasina: Nahatratra Mpangalatra Tuc-tuc sy mpampiasa CIN Sandoka ny Zandary

336 0
 
Ny Alatsinainy 22 Janoary 2024 no naharay antso avy amin’olona tsara sitra-po ny Zandary a fa misy Tuc2 iray navealan’olona roalahy tsy fantatra ao Maromagniry – Fkt TANANDAVA – Kamoninina Ambanivohitr’i Toamasina .
 
πŸ‘‰Efa nanomboka maraina be tokony tamin’ny 05 Ora sy sasany no efa TΓ©o Io tuc-tuc io ary efa tokony tamin’ny ray ora antoandro dia tsy nety niverina ireo roalahy nilaza fa hanamboatra kodiarana,raha ny filazan’ny olona teo amin’ny manodidina.
 
πŸ‘‰Nidina ifotony avy hatrany ireo Zandary avy ao amin’ny PA Tanandava notarihin’ny Chef de poste ,GPHC Rakotoniaina Jean Baptiste ary nijery Ilay Tuc2.
 
πŸ‘‰Rehefa nojerena ilay tuc_tuc ka nampitahaina tamin’ny sarin’ilay tuc-tuc nisy nandrava tao Mangarano, tamin’ny 04 Ora maraina tamin’io andro io ihany ,izay niely tamin’ny Facebook ,dia hita fa mifanaraka amin’ilay tuc-tuc ,saingy efa novaina kosa ny laharany ary noesorina daholo ireo pitsopitsony mampiavaka Ilay tuc-tuc.
 
πŸ‘‰Rehefa notohizana ny fanadihadiana dia tratra ny iray tamin’ireo olona roa lahy ireo.
Fantatra fa sady nangalatra Tuc-tuc izy ,no mbola nampiasa karam-panondro sandoka.Mbola mitohy arak’izany ny fanadihadiana sy fikarohana ny namany. Efa naverina amin’ny tompony kosa ilay tuc-tuc.
 
Β Β» Manentana izay tsara-sitrapo mba hanome loharanom-baovao,raha mahita tranga mampiahiahy,ahafahana misambotra ireo olond-ratsy. Entanina ihany kosa ny tsirairay mba hanao declaration de perte avy hatrany raha sanatria ka very karam-panondro,satria karam-panondron’olona very no nalain’ilay olond-ratsy nampiasainy ,fa sary fotsiny no novainy.
 
Mila mailo hatrany ny rehetraΒ Β»hoy ny Chef d’Escadron Ramanantsefera Arthur,Kaomandin’ny Vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena eto Toamasina.
 
πŸ†” Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - dΓ©cembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’étΓ©, ao amin’ny oniversitΓ© tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja…

π…πˆπ“π€π‹π„π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€

Posted by - avril 16, 2025 0
π…πˆπ“π€π‹π„π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ π‚πˆπ’π‚πŽ π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€/ 𝐙𝐀𝐏 π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ πŽππ† « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 πŒπ€πˆπΒ Β»/ π…πŽππƒπ€π“πˆπŽπ π€π—πˆπ€π/π˜π€π’ 𝑡𝑢𝑻𝑢𝑲𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑡𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…