Toamasina II: Voafidy fanintelony Solombavambahoaka Atoa Roilahy Jonah.

181 0
Androany izy no nitafa tamin’ny Mpanao Gazety ka tamin’izany no nisaorany ireo vahoaka izay nifidy sy nametraka fitokisana taminy,nohamafisiny ny fahavononany hanohy ireo asa fampandrosoana izay efa nataony,niarahany tamin’ireo Ben’ny Tanana sy ireo Tompon’andraikim-panjakàna rehetra ary ireo mpandraharaha ao anatin’ny Distrika nahavoafidy azy.
➡Tamin-kafaliana no niarahabany ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Rtoa Irmah Naharimamy sy Atoa Rafidison Richard Theodore Governoran’ny Faritra Atsinanana noho izy ireo samy tafaverina amin’ny toerany avy. Ho mora ny manohy ireo asa efa natao niarahana tamin’izy ireo hoy izy,satria efa niara nifanome tanana izahay.
➡Marihana moa fa ny mampiavaka ny Solombavambahoaka ROILAHY JONAH dia ny fahaizany mandray olona sy ny fanetren-tena ananany,nataony mitovy tantana ny fitsinjaràna ny volan’ny CIAD izay notantaniny ka samy nahazo tombotsoa tamin’izany ireo Kaominina 18 ao anatin’ny Distrikan’ny Toamasina II.
Fantatra fa roa ankehitriny ny Solombavam-bahoaka ao Toamasina II ka ho mora kokoa ny hanatanteraka ny asa fampandrosoana ao antoerana hoy izy.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…