π“πˆπ‹π˜ π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π’πŽπ…πˆπ€ – ππ€π‡π€π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ π‹π€π’π˜ π‹πŽπ‡π€π‘π€ππŽπŒ-ππŽππƒπ‘πŽππ€ π’π˜ π…πˆπŽπ…π€ππ€ππ€ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀

13 0
Afam-po tamin`ny lasy nataon`izy ireo tany Antsohihy ny tanora mivondrona amin`ny Tily eto Madagasikara, nampivelatra ny sain`izy ireo indrindra fa ny fitaizana ara-tsaina sy ara-batana ho azy ireo ny fitaizana azo hatrizay ka nihamafy izany amin`izao.
Tontosa ny 22 hatramin`ny 26 aprily tao Antsohihy ny Lasy roa sosona; Fiofanana loharanom-bondrona teo koa ny lasy Fanatera sy Fanomana. Mpizaika an-jatony maro no tonga avy amin`ny distrika 7 mandrafitra faritra Sofia.
Samy amin`ny sokajy misy azy ny mpizaika tao ny anatin`ny fiofanana lohambondrona
amin`ny Mpiandraikitra antsoina hoe Fanomana, eo koa ny Fanatera.
Nangonin’i Uni Raz

Related Post