TETIK’ASA HIAKA | NISY FIFOFANANA NOMENA AN’IREO VEHIVAVY TANTSAHA

137 0

Nanampanao fiofanana hoan’ny vehivavy tantsaha izay naharitra hadimiana,  natomboka ny Zoma 14 Jona ka tsy nifarana raha tsy ny Talata 18 Jona ny e-tafo. Fiofanana izay natao tetsy amin’ny amin’ny Centre Ivato Soa, etsy Ambatomainty, ao amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, Antananarivo

Fikambanam-behivavy misehatra amin’ny tontolo Ambanivohitra,  avy amin’ny faritra 8 no mpandray anjara, ahitana an’Analamanga, Itasy, Haute Matsiatra, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe ary Diana. 30 mirahavavy no isan’izy ireo

Ny zon’olombelona sy ny fiovaovan’ny toetr’andro no lohahevitra nodinihina nandritra ireo dimy andro niofanana ireo mba hanamafisana kokoa ny fahaiza-manaony.

Ny tanjonan’ny fiofanana dia ny hahafahan’izy ireo mitondra hetahetany  amin’ny sehatra tandrify izany eto anivon’ny Firenena Malagasy , manoloana ireo fanamby maro atrehan’izy ireo, toy ny fanavakavahana sy ny tsy fisoloan-tena azy ireo eo amin’ny toerana mpandray fanapahan-kevitra ka hitondra anjara biriky lehibe amin’ny ady amin’ny fitovian-jo ho an’ny vehivavy any ambanivohitra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.

Tiana ny manamarika fa haharitra 20 volana ity tetikasa ity ary hifarana ny volana desambra 2025.

Fa raha hiverenana kely ny mahakasika ity fiofanana dia dia ny  fikambanana e-TAFO (TAntsoroka ho Fampandrosoana ny mahaOlona) no tompon-kevitra sy nampanao fiofanana , amin’ny alalan’ny tetikasa HIAKA raha ny  sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) sy ny CCFD-Terre Solidaire kosa nanao tantsoraka tamin’ny fanampiana ara-bola sy aram-pitaovana.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…