Ny sata-bary fomban-drazana efa fanao hatraminโny naha tany ny tany tety aminโny Faritra Antanetibe Mahazaza, raha araka ny fanazavanโAndriamatoa RAKOTONOMENJANAHARY Louis Firmin, Benโny Tanana Kaominina Antanetibe Mahazaza. Fomba fanajana nentim-paharazana izy io, ary fanajana ny Ray aman-dreny ety an-tanana.
Ankehitriny, dia notanterahina io fomba nentim-paharazana io, ka natao ifalianโny be sy ny maro enti-hifanomezan-kasina sy ho fanolorana voninahitra.
Androany 01 Jona 2025 no notanterahina izany SATA-BARY izany, teo aminโny Kianjabenโny Kaominina, ka nohafarana nanafana manokana ity lanonam-be ity ny Tarika Rossy.
FAHOMBIAZANA FENO HOANโNY TARIKA ROSSY
Olona amanโaliny no tonga namaly niantso, ka niara-nitotorebika niaraka niaraka taminโny Tarika Rossy io tolakโandro io.
Natomboka taminโny hira malefaka nahafantarana ny Tarika ny fotoana, ary narahinโireo hira tena mamphetsiketsika izay tea mampiavaka anโity Tarika tsy mety tola ny taona ity.
Nalaina nisaraka ny Mpanakanto sy Mpankafy, nafana ny fiarahana, nitotorebika ny tanana, nampilavalanina ny maso mahita ny hakinganโireto Mpandihy, sy sora-dihy, nampangoritsina ny sofina tanteraka ny mahare ny rindra-mozika tsofinโolombelna sy tendren-tanana. Ambetin-dresakinโny maro ny hoe โฆ hafa ihany nama Rossy a !…
Nandritranโny lanonana no nanoloranโAndriamatoa Benโny Tanana ny anjara stabary ny Tarika Rossy sy nirariany soa hoanโity Tarika ngezalahinโny Madagasikara ity