TAMBOHO NIHOTSAKA | 3 MIANAKA NO INDRAY NAMOY NY AINY

193 0
3 Mianaka no indray namoy ny ainy omaly alina teto amin’ny Fokontany Mananjara Fort Voyron, ato amin’ny Boriboritany faha3, eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Vokatry ny fihotsahan’ny tamboho izay efa somary nisy fahasimbany, nnanampy trotrakja ihany koa ny rotsak’orana tafahoatra no antony ny loza raha araka ny fanambarana nataon’ireo nanatri-maso.
Manoloana izao voina tsy roa aman-tany izao, dia tonga nankahery sy nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo niharam-boina ny Soloùbavambahoaka voafidy tato amin’ity Distrikan’Antananrivo IV, Andriamatoa RAFIDIMANANA Desire, ary hita nampionina ny manaman-jo ary nanao adidy maha Malagasy azy ihany koa i Ramatoa Harilala RAMANANTSOA, izay Kandida ho Ben’ny tanana eto Antananarivo Renivohitra.
Mirary Fihononana feno ho an’ny niaramboina.
Nangonin »i Bevomaso

Related Post

𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 

Posted by - août 30, 2024 0
𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 Fatsakana, fantatra amin’ny anarana hoe…