Amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ny Governoran’i Bongolava eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana.
sy ny Prefen’i Tsiroanomandidy miadidy ny Faritra Bongolava, izay tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fitantanan-draharaha-panjakana…
Dia tonga nanolotra « SolombodiakohoΒ Β» ho azy ireo, Talem-paritra sy tomponandraiki-panjakana sivily sy miaramila isan-tsokajiny eto anivon’ny Faritra Bongolava.
Anisan’ny hita taratra nandritra ny taom-piasana 2024, ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina, teo amin’ny samy Tomponandraikitra, ka niray ny fijery, nikatsaka ny fampandrosoana ny Faritra..
Ezaka goavana amin’izao taom-piasana 2025 izao, araka ny Politikan’ny Fitondram-panjakana izay mijoro ankehitriny, ny hanamafisana ny filaminam-bahoaka sy ny fanatsarana ny fandriampahalemana manerana ireo Kaominina 30 mandrafitra ny Distrikan’i Tsiroanomandidy sy ny Distrikan’i Fenoarivobe.