Nahazo tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny izay notarihin’ireo Ray aman-dreny lehibe mpitazona hazomanga avy eto amin’ny Fokontany Andranomalaza – Commune SADABE anio izay nitso-drano Andriamatoa Solofo Jocelyn RAZAFINDRAKOTO amin »ny firotsahana ho solombavam-bahoaka ato amin’ny Distrikan’i MANJAKANDRIANA.
Nandritra ity lanonana fitsofan-drano ity ihay koa no nanararaotana nifampiarahabana tratry nyy taona vaovao, sy nifampirariana soa hoan’ny rehetra, ka ho fanamarihana izany dia nisy ny fanolorana solombodiakoho hoan’ireo Ray aman-dreny tandroky ny tany ireo, ankoatr’izay iohany koa dia nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavana hoan’izay rehetra tonga tamin’ity lanonana ity.
Tamin’ity fotoana ity ihany koa fotoana nihainoana sahady ireo hetahetan’ny vahoaka sy hijerena miaraka ny fampandrosoana izay afaka ho tanterahina.
Tiana ny manamarika fa i Solofo Jocelyn RAZAFINDRAKOTO dia tena Zanaky ny tanana, mahafantatra tanteraka izany SADABE IZANY, ka nahatonga azy milaza afa :
- SADABE tsy maintsy mandroso
- Isika tsy maintsy mandroso
- Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra
Nangonin ‘Lay Mahintsy