SININGIA PORT-BERGE | NOHAMAFISINA NY TRAIKEFAN’IREO ZANDARIN’ALA. NIKARAKARA NAHATONTOSA AN’IZANY NY LEHIBEN’NY BORIBORINTANY.

239 0

TSININGIA PORT-BERGE | NOHAMAFISINA NY TRAIKEFAN’IREO ZANDARIN’ALA. NIKARAKARA NAHATONTOSA AN’IZANY NY LEHIBEN’NY BORIBORINTANY.

Ho fifehezana ny fandriampahalemana ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsiningia, Disitrikan’i Port-Bergé dia nandray fanapahan-kevitra ny Lehiben’ny Boriborintany, Neuilly Dosiharisoa na Lily fa hampiofana ireo zandarin’ala (quartier mobile) isaky ny fokontany. Narindra sy nalamina niaraka tamin’ny Filohan’ny fokontany isan-tanàna izany dia tontosa. Nampiofana azy 46 mirahalahy ireo nandritra andro maromaro ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Zana-Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Tsiningia. Fahamatoran’ny fiaraha-miasan’ireo zandary sy ny Lehiben’ny boriborintany no nahatanteraka antsakany sy andavany ny fampianarana. Nankasitraka ny Lehiben’ny boriborintany, Neuilly Dosiharisoa ireo Sefo fokontany sy quartier mobile amin’izao hetsika nataony izao.

Raha araka nambaran’izy ireo mantsy dia niantoka ny fampandehanana ny fiofanana ny tenany ary nanome sakafo sy omby iray. Ny alakamisy 16 mey no nanaovana famoahana azy ireo rehefa nahavita fiofanana. Tonga nitarika ny lanonana tany Tsiningia tamin’io fotoana ny Lehiben’ny Disitrikan’i Port-Bergé, Todivelo Cyrille sy ny Lefiny ary ireo Lehiben’ny boriborintany maromaro notarihin’ny tompon-toerana. Niatrika an’izany koa ny avy amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Boriziny ary ny Ben’ny tanàna Tsiningia. Omby iray no natao nofon-kena mitam-pihavanana tamin’io.

«Raha mbola tratran’ny aiko sy vitako na handaniako vola aman-karena dia tsy maintsy ataoko ary vonona mandrakariva ny tenako raha mbola zavatra hanasoavana ny Tanindrazako dia ny Kaominina Tsiningia», hoy Ramatoa Déléguée Lily.

Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…