- famindram-pibaikoana ny Komandin’ireo Sekoly sy fanofanana eo anivon’ny Zandarimaria (CEGN),ny Jeneraly RAMASITERA Haingo izay nandimby an’ny Jeneraly BOTOU Estelin;
- teo ihany koa ny fanehoana ambany faneva (Sous le drapeau) sy fanomezana anarana ny Andiany faha 78 » JORO « ;
Mpianatra ho zandary miisa 1200 , ao anatin’ny andiany faha 78, miatrika fiofanana , ka nahavita ny telovolana voalohany, no naseho ambany faneva. - ary ny famindrana ny fiambenana ny Fanevan’ny EGNA amin’ireo Andiany faha 78.
Teo ambany fiahian’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina sy teo ambany fitarihan’ny Komandin’ny Sekolin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, ary notron’ireo Tomponandraikitra ambony samihafa . Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara.
Nampahatsiahy izy ny amin’ ireo lamina arahana mba ahafahan’ny Sekoly mamoaka « Zandary matihanina » .
( 📸 Sary: Tsaratiana Aimé)