SAMPANDRAHARAHAN’NY SERASERA DIANA | FAMINDRAM- PITANTANANA EO AMIN’NY LEHIBEN’NY

183 0
Tamin’ny firalahiana tanteraka no nanatontosana ny famindram- pitantanana eo amin’ny  » chef de Service Régionale de la communication DIANA » teo aloha, Atoa LEMITENY Etienne, sy ny mandimby azy Atoa Lucky Laou Po Seng ny maraina teo.
Roa amby folo ( 12) taona no nisahanan’ny mpanao gazety matihanina avy ao amin’ny TVM Ambilobe, LEMITENY Etienne ny asa maha lehiben’ny sampandraharahan’ny serasera DIANA ity ka izao no tonga ny fotoana izay tsy maintsy hitsaharany amin’izany satria toerana ifandimbiasana ny sokajy ny toerana niandraiketany hoy ny fanazavany nandritra ny laha- teny nataony.
Nitso- drano an’ilay nandimby azy ihany koa ity farany mba hanohy sy nahavita be amin’ny asa masina izay sahanina.
Eto dia miarahaba anao namana Lucky laou po – Seng, izay voatendry ho lehiben’ny Sampandraharahan’ny Serasera DIANA.
Ho tanteraka anie ny fikasanao amin’ny fampivelarana ny serasera ato amin’ny Faritra DIANA.

Related Post

CROIX ROUGE MALAGASY

Posted by - janvier 15, 2025 0
Nanatanteraka hetsika fanetanana ireo mpilatsaka antsitra_po avy ao amin’ny croix rouge Malagasy ato Morondava manatanteraka fanairana sy fanetanana mikasika ny…

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…