RN4: Ho hentitra ny fepetra horaisina amin’ireo mpamily fiara taksiborosy manao » dona miverina, » sy mameno mampiditra olona eo amin’ny tobi-tsolika Shell eto Maevatanàna an-tampon-tanàna.
👉 Nafana ny dinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fifamoivoizana an-tanety avy any Antananarivo sy Mahajanga: ( Administrateur ATT National, Dir. ATT Boeny, 1er Vice Président CPCTRV, Lehibeny PTR: Police des transports Routier, président coopérative Cootrag, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy, Chef CSP Maevatanàna, Dir. Transport et de la Métrologie de Betsiboka,) tao amin’ny efitranom-pivoriana ny prefekitiora ny harivan’ny Atalata faha 22 Jolay taona 2025 lasa teo iny.
👉 Tapaka nandritra izany fa ho hentitra ny fepetra horaisina amin’ireo mpamily fiara taksiborosy tsy manaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, indrindra ireo manao » dona miverina, » eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ao anatin’izao vanim-potoana fialantsasatra lehibe izao. Vaolaza ihany koa nandritra ny dinidinika ambany tafin-trano, fa tsy azo hatao ny mameno sy mampiditra olona eny amin’ny tobi-tsolika Shell eto Maevatanàna an-tampon-tanàna no tsy maintsy any amin’ny fokontan’Antanambao, eny amin’ny Gare Routière ny hanaovana izany.
👉 Taorian’izay dia nidina nijery ireo fiara taksiborosy nasionaly mameno sy mampiditra olona eny amin’ny tobi-tsolika voalaza etsy aloha, izy ireo no nanao fizahana ny hazavan’ny jiro, eny amin’ny fiantsoana fiara taksiborosy nasionaly sy rezionaly eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka.
Nangonon’i Zandry be Tantely

