RN4: Fiara taksiborosy rezionaly nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana.

237 0
RN4: Fiara taksiborosy rezionaly nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana. Olona iray no maty, ary mpandeha 11 naratra.
👉 Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 274+500, tao amin’ny fokontany Tsararano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Alahady faha 25 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro.
👉 Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa fiara taksiborosy rezionaly avy namonjy tsena tao Antanimbary hihazo an’Andriba no nifandona tampoka tao anaty fiolanana, tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ( plaque rouge) avy any atsimo. Vokany: olona iray no maty tsy tra-drano, raha mpandeha 11 naratra, ka noentina notsaboana nalaky ao amin’ny CSB2 Antanimbary avy hatrany.
👉 Ny fanamarinam-baovao kosa no nilaza fa tena hadisoan’ilay fiara taksiborosy rezionaly nahatonga ny lozam-pifamoivoizana teto, satria nandeha mafy sy somary nangalatra ny lalana hizoran’ny fiara tsy mataho-dalana ity farany. Taorian’ny ny zava-nitranga dia efa nanao fizahana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahefatra.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa mbola tsy nahazoana vaovao kosa makasika an’ilay fiara tsy mataho-dalana na amin’ny sehatr’asa mpanjakana inona no misy azy.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…