CR ANTETEZAMBARO: Nanao fidinana ifotony tamina fokotany enina ny Ben’ny Tanana Randriamihaja Jeannot Désiré

362 0
CR ANTETEZAMBARO: Nanao fidinana ifotony tamina fokotany enina ny Ben’ny Tanana Randriamihaja Jeannot Désiré ny herinandro lasa teo.
 
👉Anisan’ireo Kaominina nahazo tombotsoa tamin’ny fisian’ireo tetik’asam-panjakàna ny Kaominina Antetezambaro,Distrikan’ny Toamasina II.
 
👉Ny herinandro teo no natao ny fizarana kara-tany faobe, ka vahoaka miisa 1276 no nisitraka izany tamina fokotany miisa 6.(Ambodisatrana,Sahanta, Vohitrandiana,Ampasina ,Marotanindrazana,Antanetilava).
Mbola hotohizana any amin’ny fokotany hafa izany hoy ny Ben’ny Tanana ao antoerana.
 
👉Olona miisa 500 kosa no nisitraka karam-panondro,nandritran’ny hetsika fanamboarana karam-panondro faobe tamin’ireo fokotany 6 ireo ihany.
 
👉 Ankoatra izay dia nisy ny fanentanana ny olona hiditra ao anaty lisim-pifidianana.
Io ny asa nanamarika ny fiandohan’ny taona 2024 nataon’ny Ben’ny Tanana.
 
👉 Raha ny lafiny fotodrafitr’asa kosa dia efa kely sisa dia ho vita E.P.P Vohilava, Bazary Ambodiatafana.
Efa vita kosa ny Biraom-pokotany Vohilava izay hotokanana tsy ho ela.
 
🆔 Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy
 

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…