π•π¨πšπ¬πšπ³π² 𝟐𝟎 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐒𝐳𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐞́𝐝𝐞𝐜𝐒𝐧 𝐂𝐨π₯𝐨𝐧𝐞π₯ π‘πšπ€π¨π­π¨π¦πšπ¦π¨π§π£π² 𝐏𝐚𝐭𝐫𝐒𝐜𝐀

37 0
Antananarivo, 3 Jolay 2025 – Navoaka omaly ny didim-pitsarana manameloka an’i Rakotomamonjy Patrick, kolonely sady mpitsabo (MΓ©decin Colonel) teo anivon’ny tafika, noho ny heloka bevava mahakasika fandriampahalemana sy fiarovana ny ain’olona.
Araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (PAC), sazy 20 taona an-tranomaizina no nampiharina amin’ity manamboninahitra ambony ity, izay nitsoaka any ivelany amin’izao fotoana izao.
πŸ“Œ Antony nampangaina azy:
Fandrahonana ho faty
Fanohintohina ny filaminam-bahoaka
Fanalambaraka imasom-bahoaka
Ankoatra izany, olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ity kolonely ity ihany koa dia voasazy 10 taona an-tranomaizina.
Araka ny fanazavana azo, miisa roa ireo olona nosazian’ny Fitsarana tamin’ity raharaha ity, izay niakatra sy notsaraina teny amin’ny PAC (PΓ΄le Anti-Corruption).
Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana dia maneho indray ny finiavan’ny rafitra ara-pitsarana hiady amin’ny heloka bevava atao na dia avy amin’ny olona ambony aza.
✍️ Bevômaso

 

Related Post