Raharaha famonoana an’i RISCO: Nidoboka am-ponja ao Ambalatavoangy ilay Délegué an’ny Kaominina Andasibe,Vavatenina.

167 0
Raha tsiahivina ny zava-nisy,tamin’ny volana oktobra 2023,dia namoy ny ainy i RISCO rehefa nalain’io Delegué io tao amin’ny trano fonenany ka notazoniny tao amin’ny Biraon’ny Kaominina.
 
📌 « Voatonon-tonona ho mpiray tsikombakomba tamina andian-jatovo mpifoka rongony sy mpamaky trano ilay tovolahy antsoina hoe RISCO IO.
 
📌 Raha nahare izany ny Délégué avy tao Andasibe dia tonga tao amin’ny toeram-ponenany naka azy , ka noentin’ny tao amin’ny biraony Kaominina Andasibe Distrikan’i Vavatenina,i RISCO avy eo nahidin’izy ireo tao anaty birao sady nofatorana sy nodarohana.
 
📌 Efa kely aina ilay tovolahy vao navoakany ary naratra sy manga ny vatany ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Tsy nisy fanadihadiana natao tamin’i Risco. Nametraka fitoriana ary nanao antso avo tamin’ny Manampahefana ny fianakavian’i RISCO satria nahatsiaro ho niharan’ny tsy rariny,sy tsindry hazolena nataon’io Delegué io.
 
📌 Ny volana novambra 2023 no niakatra Fampanoavana tao amin’ny TPI Fénérive-Est ny raharaha. Olona 4 no niakatra parquet ka 2 MD. Anisany mbola niriaria ilay Delegue Andasibe.
 
👉 Ny Herinandro lasa teo no navoakan’ny Fitsaràna teto Toamasina ny didy fampisamborana,ka notadiavina ilay Delegué. Haingam-piasa ny Zandary ka ny alatsinainy lasa teo izy no voasambotra,ka noentina teny amin’ny Fitsarana omaly talata faha 30 janoary 2024,ary nalefa ao amin’ny Fonjan’Ambalatavoangy,miandry ny Fitsarana azy.
 
👉 Manaraka akaiky ny tohin’ity raharaha ity araka izany ny Mpanara-baovao.
 

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…