RAFANOHARANA Paul Maillot | MBOLA MAMITA SAZY AO AMIN’NY FONJAN’I TSIAFAHY.

329 0
Ny Alatsinainy faha 04 Desambra 2023, dia tsy maintsy nentina nanao fizaham-pahasalamana teo anivon’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie Andriamatoa RAFANOHARANA Paul Maillot. Teo anelanelan’ny tamin’ny 8 Ora sy sasany maraina, hatramin’ny 3 Ora sy sasany hariva no nanaovany ny « scanner cérébral, ECG, TDM, ORL, Bilan sanguin ». Izany dia vokatry ny fahitan’ny Mpitsabo eo anivon’ny Fonjan’i Tsiafahy, fa marary io Voafonja io ary nanana olana ara-pahasalamana, nanomboka tamin’ny faha-19 Novambra 2023.
 
Raha ny lalàna tokoa mantsy dia manome zo ny Voafonja tsirairay ho tsaboina rehefa mandalo tsy fahasalamana. Izany rahateo dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Ny andron’io nanaovana ny fitsirihana io ihany dia naverina mamita sazy ao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy i RAFANOHARANA Paul Maillot, ka ny Mpitsabo ao no manohy ny fitsaboana azy.
Nangonin’Ilay Mahintsy

Related Post

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…