PNUD na Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana .

206 0
Manamafy ny fahavononany hanohana ny governemanta malagasy amin’ny asa ataony amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny filaminan’ny mponina ny PNUD na Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana .
Notanterahina ny talata 25 febroary 2025 tao amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa fanaovana tombana ny asa vita toy ny efa fanao isan-taona 2024 sy ny famelabelarana ny fandaharan’asa ho an’ny taona 2025 ity .
Nitarika ity atrikasa ity ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana –
Tanjona :
👉Ny hanehoana ny vokatra lehibe sy ny zava-bita tamin’ny taona 2024.
👉Famakafakana ny tanjaka sy ny fahalemena eo amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ary fanarenana my lesoka.
👉 Fanehoana ny tatitra ara-bola
Ity atrikasa ity dia Nampivondrona ireo ministera isan-tsokajiny, andrim-panjakana, solontenan’ny Pnud, masoivoho rahavavy ao amin’ny Firenena Mikambana, sehatra tsy miankina ary fiarahamonim-pirenena, ka naneho ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa ihany koa ny atrikasa.
📝 M.Elvina

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐋𝐎𝐁𝐄

Posted by - novembre 4, 2025 0
Tonga any Ambilobe ny solontenam-panjakana ahitana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana 𝑭𝑳𝑶𝑹𝑬𝑵𝑻 𝑺𝒐𝒂𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑩𝒆𝒕𝒚 𝑳𝒆́𝒐𝒏𝒏𝒆. Ny…

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…