Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

483 0

Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975 tao Antananarivo. Nanampakatra an-dRazafindramoizina Thérèse izy ny 22 Septambra 1956 ary niteraka enina izy ireo. Nitondra an’ i Madagasikara nandritra ny enina andro izy, nanomboka tamin’ ny 5 ka hatramin’ ny 11 Febroary 1975 nahafatesany taorian’ ny namonoan’ ny « fahavalom-pirenena » azy.

Ny Fianarana nataony

  • 1938: Sekoly AmbavahadimangatsiakaAntsirabe
  • 1940: 9éme hatramin’ ny Terminales teny amin’ ny Lycée Galliénitao Andohalo Antananarivo
  • 1952-1954: nanohy fianarana tao amin’ ny Lycée Carnottao Dijon
  • 1954-1956: voaray soa amantsara tao amin’ ny École Spéciale Militaire Interarmes de Saint-Cyr

Mari-boninahitra azony

  • 20 Aogositra 1957: Commémoration AFN
  • 14 Jiona 1966: Chevalier de l’Ordre national
  • 14 Oktobra 1971: Officier de l’Ordre national
  • 31 Desambra 1971: Chevalier de la Légion d’honneur
  • 5 Febroary 1975: Grand Cordon de l’Ordre national

Ny asa sy adidy niandraiketany

  • 1 Ôktôbra 1956: niofana tao amin’ ny École d’application de l’Infanterie de St Maixent France raha mbola nitondra ny mariboninahitra Sous-lieutenant
  • 1956-1958: niatrika ady tany Marocsy Algérie
  • 1 martsa 1958: nanao ny sekoly Infanterie coloniale
  • 17 aogositra 1958: namarana ny fiofanana tao amin’ ny École d’application de l’infanterie de Saint Maixent
  • 1 Ôktôbra 1958: nahazo fisondrotan’ ny mariboninahitra ho Lieutenant
  • 5 Janoary 1959: nampianatra tao amin’ ny Centre d’instruction des nouvelles recruestao amin’ ny Camp Galliéni tany Fréjus (Frantsa)
  • 28 Ôktôbra 1959: nampianatra tao amin’ ny Centre d’instruction des nouvelles recruestao Beravina Fianarantsoa
  • 11 Jiona 1960: voatendry ho Mpifehy ny HolafitraFaha-2, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo
  • 1 Febroary 1962: nasondrotra hitondra ny mariboninahitra Kapiteny
  • Nôvambra 1962: voatendry tao amin’ ny Zandarmaria nasionaly
  • Mey 1963: niofana ho Zandary tany Lodève(Hérault, Frantsa)
  • Ôktôbra 1963: Niofana tao amin’ ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun,(Frantsa)
  • Jona 1964: Nahazo ny fanamarinam-pianarana tamin’ny Sciences criminologiquestao Paris
  • Jolay 1964: Niverina indray teto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary Malagasy voalohany
  • Septambra 1964: Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerietany Toamasina
  • Aogositra 1967: Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin’ ny Zandarmaria nasionaly 1 Jiona 1968: Nahazo fisondrotan’ ny mariboninahitra ho Lieutenant Colonel
  • 1 Avrily 1969: Notoloran’ ny Filohan’ ny RepoblikaPhilibert Tsiranana ny Fanevan’ ny Komandy ambony ao amin’ ny Zandarmaria.
  • 13 Mey 1972: voatondro ho nikomy tamin’ ny Fanjakana mpitondra izy raha nanameloka ny fitifirana ny mpianatra Tolon’ ny Mpianatratamin’ ny 13 Mey 1972
  • 25 Mey 1972: Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin’ ny Zandarmaria nasionaly, tamin’ ny Governemantanotarihin’ ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
  • 8 Ôktôbra 1972: fitsapan-kevi-bahoakamomba ny hananganana ny Fokonolona ka nandresen’ ny « ENY »
  • 1 Janoary 1973: nomena ny fisondrotan’ny mariboninahitra ho Kolonely
  • Martsa 1973- desambra 1974: noho izy Minisitry ny Ati-tany no nahazoany ny solon’ anarana hoe « Minisitry ny Ala-olana »
  • 23 janoary 1975: rava ny Governemantan’ ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
  • 5 febroary 1975: natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa azy ny « Fahefana feno » hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ka nanekeny fa « tsy hiamboho adidy » izy.

Ny nahafatesany

Talata 11 Febroary 1975 tamin’ ny 8 ora alina: lavon’ ny balan’ i Zimbo teo Ambohijatovo ambony Ratsimandrava. Maty voatifitra niaraka taminy ny mpiambina azy GP2 Rabotovao Samuel sy GP2 Rakotoarisoa Bernard

🌐 Loharano nanovozana : https://mg.wikipedia.org 

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…