π…π€πŒππ€π…π€ππ“π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππ€ π€πŒππŽππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘β€™πˆπŒπ„π‘πˆπ“π’πˆπ€π“πŽπ’πˆπŠπ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ•πŽπ€π‘π€ππ˜ 𝐀𝐍-πŠπ„π‡πˆπ“π‘πˆππ˜

6 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173KmΒ² ka fokotany 36 no mandrafitra azy ; hatramin’ny nisian’ny rafitra kaominaly dia ben’ny tanana 5 no viafidim-bahoka nitantanana ny kaominana .
Ny fiveloman’ny mponina dia mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana fa saingy hita ato Imeritsiatosika avoaka ny seham-pihariana rehetra .
Nanomboka ny taona 2015 nandraisan’Andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ny fitantanana ny kaomnina dia hita fa niova endrika tanteraka ny tanana sy ny toen-tsain’ny mponina satria ny soatoavina sy lalan-tsainana nentin’ny ben’ny tanana dia ny hoe Β« Ny olona no harena voalohany Β» ka ny fampandraisana anajara ny olona tsirairay no fototry ny fampandrosoana ary ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantanana ary fampafantarana ny tamberin’andraikitra no nentina nanetsehana sy nanentanana ny mponina amin’ny fanaovana adidy sy fandoavan-ketra ka nafahana nametraka ny tombotsoa iraisana sy ireo fotodrafitr’asa izay nametrahana hatrany ny fotodrafitr’asa hitambaran’ny rehetra toin’ny Lampan’ny tanana taminy fotoam-pitondrany voalohany ary ny tsenabe ny firaisankina ny fotoam-pitondrany nanaraka an’io fa amin’izao dia ny tranom-pokonolona ary eo koa ireo fotodrafitr’asa izay isam-pokotany araky ny filan’ny fokotany tsirairay avy toin’ny lalana sy sekoly izay sitrahan’ny vahoaka ary mamaha ny olan’izy ireo sady manome endrika ny tanana ka maha resy lahatra ny rehetra hany ka na ireo antokom-politika aza nandritrin’ny fifidiana ben’ny tanana farany teo dia tsy nisy sahy nifaniana taminy .
Isany tombony ho an’ny kaominina Imeritsiatosika noho izy ambohim-pihaonana eo amin’ireo kaominina manodidina izay saika mandalo eo avokoa fa tombony ho an’ny Imeritsiatosika kosa noho izy akaiky ny renivohitry Madagasikara na dia lavitra amin’ny renivohitry ny faritra Itasy aza ny kaominina Imeritsiatosika .
Raha ny resaka tetikasa tanana vaovao indray dia olana ho an’ny Kaominina ny fanaovan’ny fitondrana teo aloha azy ary lasa niteraka fitokonan’ny mponin’ny Imeritsiatosika ; hery lehibe ho an’ny fampandrosoana ny kaominina hoy ny ben’ny tanana ny fametrahana ny fihavana sy ny firaisakina ary fampandraisana anjara ny rehetra ary indrindra fa ny fijoroan’ny Ben’ny tanana ny fotok’evitra nirotsahany ho ben’ny tanana tsy misolelaka manaraka ny antokon’ny eo amin’ny fitondrana .
Betsaka ireo zava-bita izay ambom-po ny vahoakan’ny Imeritsiatosika madidio na dia eo aza ireo mpiara-miombon’antoka nanampy tamin’ny lafiny teknika .
Ho an’izay efa nandalo sy mivezivezy ao amin’ny kaominina Imeritsiatosika dia mahita tsara fa mandroso sy mivoatra ity kaominina ity ka maro ireo avy amin’ny kaominina manodidina no mifindra monina ao izay lasa olana eo amin’ny kaominina amin’ny fandaminana sy fitan-tanana saingy na dia eo aza izany dia tsy miraviravy tanana ny mpitanatana fa miezaka mametraka ny fandaminana hafahan’ny rehetra miara miaina sy mampirindra ny fiaraha-monina .

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ |π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧-π€π¨πŸπ’ππ’πšπ§β€™π’ 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…