Tetik’asan’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga izay iarahana amin’ny orinasa Refrigepeche Madagascar izy io,mba ho fitsinjovana ireo tokatrano marefo,ka amidy amin’ny vidiny 4200ar ny iray kilao amin’ny trondro « Drihy » sy « tretreky « .
Eny amin’ny Refrigepeche Ambolomadinika, Bazary kely, ary Valpinson no ahitana ireo vokatra ireo. Haharitra roa volana moa ity tetik’asa ity.
» Ny tanjona dia ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ,ka hampiakatra ny tahan’ny fihinana trondro,satria anisan’ny sakafo ara-pahasalamana ny trondro » Hoy Atoa Raharimandimby SIMON,Talem-paritry ny Jono sy ny toe-karena manga Atsinanana.
Manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana an’ity tetik’asa FIA MORA ity.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy