NITONDRA FANAMBARANA SAVARANONANDO MOMBA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMWBAHOAKA NY AVY EO ANIVON’NY SAFIDY

57 0
✅ Voamarika ny fandraisana Anjara mavitrika kokoa an’ireo mpisehatra ara-politika ,nahitana tranga tsy fanarahan-dalàna sy fifandonana mampiahiahy iny fifidianana solombavam-bahoaka izay notanterahina ny alarobia 29 Mai iny hoy ny avy eo amin’ny SAFIDY.
👉 Nizotra am-pilaminana ny androm-pifidianana na dia nisy aza ny fifandonana sy tsy fanarahan-dalàna nanamarika izany .Niovaova araka ny toerana ny hamafin’ny fifandonana .
👉Nisy ny fandorana tranom-panjakana tahaka ny tany Tsihombe sy Tsiroanomandidy.
👉41,6% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny SAFIDY maso,niakatra Io raha oharina tamin’ny fifidianana ny taona 2019 izay 40,6%.Nidina kosa raha oharina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena lasa Téo.
👉204 tatitra fanairana voarain’ny SAFIDY nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra hatramin’ny faha 31 mey 2024.
👉Nirona tamin’ny fiaraha-mitantana ireo Antoko lehibe izay no anisany mampiavaka ny Antoko politika malagasy .
👉Tsy ampy ny fahamaroana sy fahasamihafana ara-kevitra Ary ny riankevitra Nandritra ny fampielezan-kevitra .
👉Mitoetra hatrany ny tsy fahatomombanana ,tsy fanarahan-dalàna ,tsy firindrana Ary ny fahabangana eo Amin’ny lafiny lalàna sy ny tontolony.
👉Tsy mangarahara ny famatsiam-bola Amin’ny fampielezankevitra.
👉Tsy misy andinin-dalàna mifehy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana.
👉Tsy navoaka miaraka ireo didim-panjakana momba ny fifidianana ka miteraka tsy fanarahan-dalàna sy ahiahy Téo amin’ireo mpisehatra ka nahatonga ny tsy fitoviana lenta Nandritra ny fanomanana ny fifidianana .
👉Voafetra ny fandraisan’anjaran’ireo vondron’olona marefo ,ny tanora,ny vehivavy,Ary ireo manana fahasembanana na Dia nisy aza ny fanentanana.
👉Anjorom-bala ireo Mponina avy any ambanivohitra tamin’ny fanabeazana ara-pifidianana.
👉Tsy misy Fitiavana ara-politika Amin’ny fananganana ny ANRCM ,rafitra tokony hiantoka ny fitovian’ny kandida Amin’ny fidirana Amin’ny haino aman-jery ka lasa nandringa ny fampielezan-kevitra.
👉Mbola lavitra ny fahantaterahan’ny foto-kevitra mifotitra Amin’ny marolafy ,ny soatoavina,etika ,ny rariny Ary ny fifandajana mandritra ny fampielezan-kevitra Amin’ny fifidianana raha tarafina Amin’ny firongatry n’y fampitam-baovao ho tombotsoan’ny mpanao politika.
👉Nampiasaina tsy misy fetrany ny « Facebook », indrindra tamin’ny fifandraisana tamin’ny mpifidy ,nanome vahana kosa ny fifanenjahana ,fifankahalana Ary fampielezana vaovao tsy marina .
Biraom-pifidianana 3839 tamin’ireo 28133 manerana ny Nosy no narahin’ny SAFIDY maso tamin’ny kaomina 405 manerana ny distrika 120 sy faritra 23 ka miisa 2535 ireo mpanaramaso avy amin’ny SAFIDY ny 47% an’ireo dia vehivavy ary 76% dia tanora raha 2% no manana fahasembanana .
📷@Sioka
✍️Ra Pa Menabe

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…