Nanokatra varavarana azon’ny daholobe tsidihina ny Ministeran’ny Fitsarana

28 0
Ho fampahafantarana hatrany ny asa sahin’ny Ministeran’ny Fitsarana, dia nanatanteraka varavarana misokatra, azon’ny daholobe notsidihina tetsy amin’ny Lapan’ny tananan’Antananarivo , etsy Analakely ity Ministera ity androany 18 Jolay 2024 tontolo andro.
Tranoheva maromaro mampahafantatra tanteraka izany MINISTERAN’NY FITSARANA sy ny SA SAHANINY no nampiratiana tamin’izany, ankoatry ny adi-hevitra anaty hevitrano, izay notanterahina tao amin’ny efitrano fivorian’ny Mpanolontsain’ny Tananan’Antananarivo, notarihin’i Ramatoa Minisitra RANDRIAMANANTENASOA.
Araka ny angom-baovao hatrany dia fantatra fa tanjona dia ny Fitsarana Manakaiky Vahoaka hatrany mba hazava aminy avokoa ny mombamomba ny Fitsarana sy ny fonja rehetra.
Ary voalaza ihany koa fa ity varavarana Misokatra ity nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana dia notohanan’ny Tetik’asa PAJMA (Projet d’Appui à la Justice Malagasy) izay vatsin’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Ny Tetik’asa PAJMA izay naharitra 6 taona dia hifarana ny taona 2025, ary eo an-dalam-pandinihana ny tohiny ny Ministera sy ny AFD dia ny PAJMA 2.
Nahaliana ny vahoaka tonga nanatrika ity varavarana misokatra ity, ary irariana ny hisian’izao isam-paritra hoy i Rajean de la Croix Mponina Antananarivo Avaradrano sendra nanontaniana’ny Mpanao Gazetinay, mùba hahalalana ny tokony hatao, ny lalana tokony haleha, indrindra ialana amin’ireo Mpijirka eny amin’ny Tribonaly, ary satria aza hoy ihany izy nanohy ny teniny mba ho amin’ny Teny Malagasy madio rano ny taratasy isan-karany ifanakalozana amin’y paik’ady rehetra hatao.
Fa sady ady hatao amin’ny kolikoly izao indrindra izao, hoy kosa Ramatoa Minisitra nanditran’ny lahateny fohy nataony entina hanatanterahana ny Andry voalohany dia ny Fanandratana maha olona sy ny Andry fahatelo dia ny Fanjakana tsara tantana izay napetraky ny Filoham-pirenena entina hampandroso ny firenena arakan’ny vina efa napetraky ny fitondrana.
Teo am-paamaranana ny lahateny nataony, dia mbola nohatitrateriny hatrany fa mbola hitohy hatrany ity hetsika fitsarana manakaiky vahoaka ity.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 : 𝐓𝐎𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐊𝐎𝐏𝐈𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀

Posted by - juillet 24, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 : 𝐓𝐎𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐊𝐎𝐏𝐈𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐊𝐀𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀 Ny zo hanana anarana…