Fanatanjahan-tena Fiaraha-monina NANATANTERAKA FIHARABANA TRATRIN’NY TAONA NY HANDI-SPORT MORONDAVA Posted on février 2, 2025 at février 2, 2025 by feonydemokrasia 147 0 Androany no nanatanteraka fiharabana tratrin’ny taona ireo HANDI-SPORT teto Morondava izay notarihan’ny filohan’ny ligin’ny Menabe Andriamatoa Rakotondramanana Rindra Tiana , tonga nanatrika izany moa ireo solon_tenan’ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava ary Andriamatoa Thierry Johary izay nisolon-tena an’i Andriamatoa Ulrich Zafera dit Zazah kandida ben’ny teto Morondava tamin’ny fifidianana farany teo. Velom-pisaorana ny Andriamatoa Haja Resampa solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava moa izy ireo amin’ny fiara-miasa sy fitsinjovana azy ireo hatramin’izay ary mbola nandefa an’Andriamatoa Hervé sy ramatoa Harilala izay nisolon-tena azy sady nanome voninahitra ny fiharabana tratrin’ny taona izao, tsy adinon’izy ireo koa no nisaotra an’Andriamatoa Zazah izay teo an’ilan’izy ireo hatrany hatramin’izay ary nanampy azy ireo hatrany ary mbola nandefa an’i Thierry Johary koa androany nisolo tena azy, i Thierry Johary moa dia lohalisitra amin’ireo mpalontsaina niaraka tamin’ny kandida ben’ny Zazah izay Isan’ireo handrafitra ny filankevitry ny Kaominina Ambonivohitry Morondava ankehitriny. Manatena zahay hoy izy ireo fa ho eo hatrany nareo hanohana anay. RA PA
DISITRIKA NY BENENITRA SOLOMBAVAMBAHOAKA NY BENENITRA SY IREO STAFF REHETRA Posted by feonydemokrasia - janvier 14, 2025 0 Totosa tamin’ny alahady teo ny Firahabana nahatratra taona vaovao izay natao Atao SOLOMBAVAMBAHOAKA ny Benenitra nasainy manokana koa Ireo Olobe…
PASTEUR CHRISTIAN ERIC RAKOTONIERA NITONDRA FANAZAVANA Posted by Ra PA - juillet 18, 2025 0 Nitondra fialan-tsiny ampahibemaso tao amin’ny kaonty Facebook-ny ny Pasitera, Christian Eric Rakotoniera manoloana ny fanelezany vaovao mahakasika ny minisitry ny…
DISTRIKA AMBATONDRAZAKA | Hetsika SOLIDARITE Posted by feonydemokrasia - juin 18, 2024 0 Tontosa anio tao amin’ny EPP – Marianina, CR Ambohiboromanga, Cisco Ambatondrazaka ny » HETSIKA FIRAISAN-KINA HO AN’NY ANKIZY HANALA FANADINANA ».…
Matotra ny fiaraha-misa eo amin’ny OJM sy ny INSTAT Posted by feonydemokrasia - février 15, 2024 0 Fanamafisana fiaraha-miasa sy fahaiza-manao. Miofana momba ny statistika, mandritra ny telo andro, any Antsirabe, ny mpanao gazety 20 avy…
AMBOHIMAHASOA : FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA. Posted by feonydemokrasia - juillet 4, 2025 0 Hopitaly manara-penitra ahitana efitra 98 , manana Sampan’asa 10. Ahitana ny Fitsaboana nify,Fandidiana, fameloman’aina, fiterahana fivarotam-panafody, sns… Izany hoe ampy…