NANATANTERAKA FIHARABANA TRATRIN’NY TAONA NY HANDI-SPORT MORONDAVA

89 0
♿ Androany no nanatanteraka fiharabana tratrin’ny taona ireo HANDI-SPORT teto Morondava izay notarihan’ny filohan’ny ligin’ny Menabe Andriamatoa Rakotondramanana Rindra Tiana , tonga nanatrika izany moa ireo solon_tenan’ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava ary Andriamatoa Thierry Johary izay nisolon-tena an’i Andriamatoa Ulrich Zafera dit Zazah kandida ben’ny teto Morondava tamin’ny fifidianana farany teo.
▶️ Velom-pisaorana ny Andriamatoa Haja Resampa solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava moa izy ireo amin’ny fiara-miasa sy fitsinjovana azy ireo hatramin’izay ary mbola nandefa an’Andriamatoa Hervé sy ramatoa Harilala izay nisolon-tena azy sady nanome voninahitra ny fiharabana tratrin’ny taona izao, tsy adinon’izy ireo koa no nisaotra an’Andriamatoa Zazah izay teo an’ilan’izy ireo hatrany hatramin’izay ary nanampy azy ireo hatrany ary mbola nandefa an’i Thierry Johary koa androany nisolo tena azy, i Thierry Johary moa dia lohalisitra amin’ireo mpalontsaina niaraka tamin’ny kandida ben’ny Zazah izay Isan’ireo handrafitra ny filankevitry ny Kaominina Ambonivohitry Morondava ankehitriny.
Manatena zahay hoy izy ireo fa ho eo hatrany nareo hanohana anay.
✍️ RA PA

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…