NANATANTERAKA FAMBOLEN-KAZO NY ZDS TSIRIBIHINA

165 0
▶️ Nototosaina androany faha 21 febroary tao amin’ny tanin’ny miaramila izay nisy ny holafy 508 taloha , tao amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanonga ny fambolen-kazo izay nokarakarain’ny farimpiarovana sy filaminana Tsiribihina na ZDS Tsiribihina izay notarihan’ny Jeneraly Andriantaolo Tsilavonjato Honoré Kaomandin’ny ZDS TSIRIBIHINA, tonga nanotrona sy manome voninahitra izay fambolen-kazo izao moa ny minisitry ny Foloalindahy Jeneraly Sahivelo Lala sy ny chef d’état major des armées Jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka ary Jeneraly Rakotoson Jocelyn Chef d’état major de l’armée de terre
▶️Zana-kazo 4000 no novolena tamin’ny velaran-tany 4 Ha ,ny lohahevitra tamin’ity moa dia ny hoe  » Tafika Malagasy mamboly hazo, tohana ho an’ny angovo maharitra » , izao no natao hoy ny Kaomandin’ny ZDS Tsiribihina dia nohon’ny toromariky ny ministeran’ny Foloalindahy Malagasy ny tokony hambolen’ny ZDS tsirairay hamboly hazo 1000ha fanokafana ihany izao fa hitohy hatrany ny fambolena raha mbola Tsy tapitra ny fotoam-pambolen-kazo , nosafidiana ity toerana ity amin’ny maha tanin’ny miaramila Azy mba hafahana mikolokolo sy manara-maso Ireo hazo novolena ireo .
✅Tonga nanotrona sy niara nisalahy tamin’ny ZDS Tsiribihina tamin’izao fambolen-kazo izao moa ireo serivisim-panjakana rehetra ato Menabe izay notarihin’ny préfet an’i Morondava Rafidison Fidèle sy ny Governoran’ny faritra Menabe niaraka tamin’ireo talemparitra rehetra ary ireo OMC sy fikambanana maro.
👉 Nitondra fisaorana ireo mpiaramiombon’antoka rehetra nafahana nanantanterahana izao fambolen-kazo izao moa ny Kaomandin’ny farimpiarovana sy filaminana Tsiribihina.
✍️RA PA

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ».

Posted by - mars 1, 2025 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ». Ambohipihaonan’ny mpikambana ao amin’ny antoko politika…