๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ – ๐ ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ 3 ๐๐๐ ๐ฎ๐ณ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ถ๐ฎ๐๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ฏ๐ฎ๐ธ๐ฎ๐น๐ฎ๐ผ๐ฟ๐ฒ๐ฎ
(๐บ๐๐๐ ๐๐๐๐
๐๐
๐๐ ๐๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐
`๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐
๐๐๐๐ ๐๐๐๐
๐๐
๐๐ ๐
’๐ฬ๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐`๐๐ ๐๐๐๐ ๐
๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐
๐๐`๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐)
โฆMpianatra 3 tsy afaka niatrika fanadinana bakalaorea eto Mandritsara, nody maina izy ireo androany alatsinainy 22 jolay maraina teo. Tsy nahazo ยซย convocationย ยป rehefa nandeha tamin`ny birao misahana ny fanadinana. Mitaraina ny mpianatra sy raiamandrenin`izy ireo satria very vola raha nanankina fahatokisana tamin`ny mpitan-tsoratra iray ao amin`ny sampan-draharaha misahana fanadinana amin`ny Lycรฉe Victor Miadana izay nilaza mahatafiditra azy ireo ho candidat d’รฉcole. Tondroin`ireo RAD sy zanany naka vola, 90.000 Ar, misy ny 60.000 Ar ary 45000 Ar ity Secretaire ity. Saran`ny fampidirana amin`ny hanaovana fanadinana no antony.
Nilaza ii Zozo fa tena marina ny zavatra io ยซย nakana vola sandan`ny maha ยซย candidat libre olona telo ireo, misy koa vola nalaina solon`ny tsy fahafahana nanao adina ara-panatanjahantena izay nomena an`ny chef de gym avy any Mahajangaย ยป Anio alatsinainy no fanarahana hamerenana ny vola ireo raha ny nambarany teto.
Ampolony ireo nody maina teny amin`ny ivom-panadinana Lycรฉe Victor Miadana raha ny loharanom-baovao azo fa ny telo ihany no nahazoan`ny mpanao gazety ao Mandritsara vaovao feno.