Mpanakanto BARIVOLA | feno 35 taona no namoronany hira

101 0

Nanomboka ny taona 1989 no namoron-kira Andriamatoa RANDRIANAIVO Bruno, fantatry ny rehetra amin’ny anarana enti-mihantsehatra hoe BARIVOLA. Ny taona 1991 no noraisiny ho taona ofisialy nanombohany nanaparitaka ity talenta ananany ity. Fantatra ary fa hankalaza ny faha 35 taona namorony hira izy amin’ity taona ity, fankalazana izay hiarahany amin’ny antokom-pihira avy ao amin’ny CFF – FPVM Taninanandrano, Ampandrana, ka ny Alahady faha 28 Febroary 2026 ho avy izao no fotoan-dehibe entina hanatanterahana izany, ao amin’ny Fiangoanana FPVM Taninanandrano ihany no toerana.

Marihina fa ny hira noforonin’i Barijaona no hoventesin’ireo Tanora CFF mandritra io fotoana io.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…