MORONDAVA  |  MPANAO TRANO IRAY NO TRA-DOZA TEO AMPANATANTERAHANA NY ASANY

271 0
☑ Ny asabotsy faha 26 octobre maraina tokony tamin’ny valo ora sy sasany dia mpanao trano iray no nianjera teo ampanaovana ny asany izay manao fampiakarana ny trano fandraisambahiny iray eto Morondava vokany vaky ny lohany ary naratra koa ny tongony ; noentina eny amin’ny toeram-pitsaboina avy hatrany moa ity lehilahy ity ary efa manaraka fitsaboana amin’izao raha mbola tsy natsiaro tena tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana.
Raha ny fitantaran’ireo namany dia efa ny zoma izy no tsy salama ka nody ny zoma atoandro fa tsy niasa ; fa noho izy ireo mikarama isan’andro dia niverina niasa ihany izy ny sabotsy izao tra-doza izao izay marihina moa fa tsy misy manao fiarovan-tena toin’ny aro-loha ireo mpiasa miasa ao ary tsy misy koa ny fifanarahana ara-kasa satria mpanao kibaro (asa tselika) mivarotra aina izahay hoy ilay mpiasa ary efa natahotra izahay hoy ilay mpiara miasa ilay naratra fa nilaza ilay karana tompon’ilay trano fandraisam-bahiny fa hanaovana assurance ireo mpiasa ka nanaiky nanao ilay asa.
☑ Mahagaga ihany fa asa fanitarana lehibe no hatao amin’ilay trano fandraisam-bahiny nefa dia tsy mba naka orin’asa mpanao trano izy ireo fa dia mpanao asa tselika no nalaina , ilay toerana koa amoron-dalana nefa dia tsy misy na dia fiarovana aza eo amin’ity trano hampiakarina ity ka tandindinin-doza ireo mpiasa manao ity trano ity ary ireo mpandeha manoloana io trano io ihany koa ka hanairana ny tompon’andraikitra mba hisosorhana ny loza mety hitranga.
☑ Tonga nitsidika teny antoerana moa ny talemparitry ny asa sy ny fananan’asa nitsirika ny zava-nisy ka nilaza fa eo amin’ny roa metatra ny hahavon’ny toerana nian-jeran’ilay mpiasa hoy izy raha ny fitsirihana ary nilaza ramatoa talem-paritra fa manao fiarovan-tena toin’ny aro-loha ireo mpiasa miasa ao fa tsy naharo azy izany ka izay no nahavaky ny lohan’ity mpiasa tra-doza ity ; nefa tsy izay no zava-nisy raha tonga teny ny mpanao gazety fa tsy misy manao fiarovan-tena ireo mpiasa miasa ao nefa ramatoa talem-paritra nilaza fa tokony hajanona ny asa raha tsy manao fiarovan-tena ireo mpiasa ; nilaza koa moa ramatoa tale fa ilay mpampiasa mihintsy no tra-doza nefa tsy hita ilay taratasy fifanarahana ary tsy nitaky izany izahay hoy ny talem-paritra asa sy fananan’asa raha nanotaniana fa ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny kosa dia tsy nety nandray ireo mpanao gazety tonga teny raha nisy mpanao gazety tonga hanao fanadihadiana teny an-toerana koa manaitra ny tompon’andraikitra ihany fa matetika loatra ireo teran-tany karana ireto no mandroaka mpanao gazety rehefa misy ny vaovao mahakasika azy ireo .
Nangonon’i RA PA

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
𝐙𝐚𝐯𝐚-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐨 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚! 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐕𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 – 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…