Morondava faritra mena amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA?

228 0

Androany 9 Décembre no nankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny Tsimokaretina VIH/SIDA ny teto amin’ny renivohitry ny faritra Menabe raha tokony tamin’ny 1 décembre lasa teo no ivon’ny fankalazana ny antony dia nohon’ny voina izay nitranga teo amin’ny tompon’andraikitra ny fahasalamana tato Menabe, lohahevitra tamin’ity taona ity moa ny hoe  » ankino amin’ny fiaraha _monina ny ady atao amin’ny VIH/SIDA » dia_be namakivavaky ny tanana no nanombohana ny fotoana ary nitohy tamin’ny kabary nifandim_biasan’ ireo tomponandraikim-panjakana sy mpiantsehatra amin’ny ady amin’ny SIDA ary ny fanaovana fitiliana fahobe izay notarihiny préfet ny Morondava Andriamatoa Rafidison Fidèle izay nanindry mafy fa tsy ampy ny fanentanana satria mirongatra hoy izy ny fiarahan’ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy ary ireo mpampanofa tena sy ireo trano fandraisam_bahiny saingy toa adino ny fanentanana azy ireny ka hiezahina ny hanentanana azy ireny ary hamafisina ny fanarahamaso ny fahasalaman’ireo mpampanofa tena, eo koa ny fanentanana ireo tanora sy ny rehetra amin’ny ady atao amin’ny SIDA.

Na dia malaza fa anatin’ny faritra mena amin’ny SIDA ary Morondava dia tsy hita sady tsy azo ny atotan’isa manamporofo izany koa manontany tena ny rehetra hoe inona moa zany ny porofo fa tafiditra anaty faritra Mena amin’ny SIDA Morondava?

Satria ireo tomponandraikitra rehetra nanotaniana taty an_toerana dia milaza fa tsy misy atotan’isa azo lazaina sy omena ny fitiliana faobe moa dia ny préfet ny Morondava no natao voalohany narahin’ireo olom_panjakana eto Morondava tonga nanatrika ny fotoana ary ireo mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery avy amin’ny tsy miankina izay nahitana ny TV PLUS, Kolo Tvfm, valosoa ary ny Feon’ny Demokrasia Malagasy, tsy dia nanaitra olo firy moa ny hetsika fa saika ireo mpianatra avy amin’ny ISCAMEN sy ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana no maro an’isa nanatrika ity fotoana ity, ho an’ny TAFIKA kosa dia mitohy androany tolakandro ny fotoana ka hisy ny fitiliana ho an’ireo miaramila sy ny vady ama-janany izay atao ao amin’ny Toby Bataillon d’infanterie Moronadava.

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚 📌 RISCO ,ilay tovolahy maty rehefa…