MITAKY HAMPAKARANA KARAMA NY MPAMPIANATRA FRAM AO AMIN`NY CEG TSARAVONY MARIE JEANNE MANDRITSARA

142 0
Efa ela no tsy nisy fampakarana ny karaman`ireo mpampianatra FRAM ao amin`ny CEG Tsaravony Marie Jeanne CISCO Mandritsara. Nanatanteraka fivoriam-be niarahana tamin`ny Ray amandrenin`ny mpianatra ny FRAM amin`ny sekoly ity androany zoma 27 septambra, nandinika ny fomba anatanterahana ny fampandehanan-draharaha anatiny. Nivoaka ny efi-trano fivoariana ny mpampianatra rehetra rehefa tsy afapo tamin`ny karama nifampiresahana. Efa nanao fangatahana tamin`ny filohan`ny Fikambanan`ny Ray amanadrenin`ny Mpianatra ireo Mpampianatra ny hanondrotana izany ary nanambara ny fahavononana hanefa adidy ny Ray amandreny. Ny fananganana trano fivoahana no laharam-pahamehana ao amin`ny sekoly amin`izao raha ny nambaran`ny filohan`ny Farimbon`ezaka ho fahombiazana sy fanabezana eny ifotony, Randrianatrehina. Ela vao tonga ampelatanan`ny FEFFI ny vola tohana avy amin`ny fanjakana ka tsy maintsy ampiasana ny vola avy amin`ny Ray amandrenin`ny mpianatra hoy izy hatrany. Ireto mpampianatra FRAM ankilany mitaraina fa miha mamely ny vidim-piainana amin`izao.
Tsy afapo amin`ny fampakarana tapaky ny biraon`ny FRAM ireo mpampianatra 9 mianadahy voakasika ka hitsahatra tsy hampianatra aloha. Manohana fitakiana ataon`izy ireo ny mpampianatra maro efa mpiasam-panjakana. Izy ireto izay mametraka ahiahiny mahakasika ny tsy fangaraharahn`ny fitantantana ataon`ny biraon`ny FRAM.
Mila mifanatona mandamin-dresaka araky ny fifanarahana natao ny FRAM sy ny mpampianatra karamain`izy ireo hoy ny lehiben`ny Fari-piadidiam-pampianarana Mandritsara, Indriantsiferana Radisson Zaralahy, raha naneho hevitra momba toe-draharaha ity rehefa nantsoin`ny mpanao gazetinay. Tsy misy idiran`ny CISCO ny raharahan`ny FRAM raha ny nambarany hatrany.
Nangonin`i Claudio

Related Post

๐€๐ƒ๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐€๐Š๐€

Posted by - juin 1, 2025 0
๐—ž๐—ฎ๐—ผ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ฟ๐—ผ๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—บ-๐—ฝ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐˜๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ถ๐˜€๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ Notanterahina tao aminโ€™ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…

SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

Posted by - octobre 1, 2024 0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny ยซย universitรฉ catholique ASJA Moramangaย ยป, sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i…