📌 Tonga nidina ifotiny ny minisitrin’ny rano sy fidiovana ary fahadiovana Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra nijery izay hamahana tsikelikely ireo olana rehetra amin’ny fanariana ny fako sy ny ara-pitaovana teny Andralanitra ka anisany soso-kevitra naroso tamin’izany ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina amin’ny sisin’ny lalàna, ny hanamboarana ny lalàna anatin’Andralanitra ka hampisokatra ny lalana mba hanamora ny fivezivezen’ireo fiarabe ka ahazoany miasa haingana.
📌 Efa miroso hatrany ny asa ho fanadiovana ny tanàna ka tokony samy hanaja ny tontolo manodidina amin’izay ny rehetra.
🆔 Nangonin’i Sitraka Fenohery